Filtrer les éléments par date : jeudi, 31 janvier 2019

Des gars armés ont attaqué la voiture du fils à Farouk Daya, les deux fils sont blessés, l'un d'entre eux vient de décéder.

 

Publié dans Fil info

Ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana Solombavambahoaka, nandefa taratasy io maraina io tety amin’ny CENI ny Governemanta nangataka ny soso-kevitry ny CENI mahakasika ireto teboka telo ireto :

1- Ny datin’ny fifidianana Solombavambahoaka.

2- Ny vola fandraisana anjara tokony aloan’ny kandida amin’ny fifidianana Solombavambahoaka.

3- Ny hevitry ny CENI mahakasika ny fomba hitondrana ny antsapaka hamaritana ny laharan’ny kandida eo amin’ny bileta tokana sy ny fampielezan-kevitra izay hatao.

Publié dans Tselatra

Nosamborina teny an-dalana raha avy niatrika valandresaka ho an’ny mpanao gazety i Marino Rajaonina, mpanao gazetin’ny Radio Vanille Sambava, ny misandratrandron’ny 27 janoary 2019 fa nanao « Atteinte à la sûreté intérieure de l’Etat » tamin’ny namoahany tao amin’ny pejy fesibokiny, ny alin’ny 26 janoary 2019, fa "NOHO TSAHO NA RUMEUR NO TSY MAMPANDRY OLO TANANA ARAIKY AO NOSIARINA @ ZAO."

Publié dans A la Une

Manodidina ny iray lavitrisa Ariary ny teti-bidin’ny fahavoazana nateraky ny haintrano goavana nitranga omaly ka naharotiky ny afo ny trano miisa 218, ka fodrafitrasan’ny Kaominina ambonivohitra Amboasary Atsimo ny 15 amin’ireo, araka ny tatitra vonjimaika.

1200 ireo traboina. Betsaka ireo mpianatra tsy manan-koraisina satria levon’ny afo ny kojakojam-pianarana.

Androany dia efa tonga nitondra izay voatsirambin’ny tanana nahitana vary 30 gony, siny plastika 100 isa, miampy zinga 100 isa ny fikambanan’ny zananak’i Amboasary Atsimo, tarihin’i Lamina Rabenarivo.

 

Publié dans Tselatra