Filtrer les éléments par date : mercredi, 30 janvier 2019

Nametraka ny fanambaram-pananany teo anivon'ny Bianco Toamasina ny Zandary eo anivon’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Toamasina, notarihan’ny Kolonely Justin Hary, Komandin’ny CIRGN Toamasina.

Nisaotra ny Zandary ny Bianco satria efa hita ny ezaka amin’ny fihenan’ny fitorohana sy fitoriana ataon’ny olona momba azy ireo izao.
Raha nisy 7 izany ny taona 2017 dia tsy nisy afa-tsy 4 ny taona 2018 raha ho an’i Toamasina. mametraka fanamby ny Zandary fa ho aotra izany amin’ity taona 2019 ity.

Publié dans Tselatra

Maro ny ady hevitra momba ny firafitry ny Andrim-panjakana sy ny andraikitra isan'ambaratonga, izay ny Lalampanorenana avokoa no mamaritra izany.

Ny Fokontany, ny lehiben'ny faritra izay mety ho soloina Ragôva, ny fanafohanana Loholona.

Rehefa miova ihany koa anefa ny andraikitra sy ny fifandraisan'ny Andrimpan-jakana amin'ny andraikitry ny Filoham-pirenena dia miova izany ny Repoblika, dia miova arak'izany ihany koa ny andraikitry ny Filoha sy ny fifandraisany, na ny fifandanjan'ny fahefany amin'ireo Andrim-panjakana hafa, dia niova izany ny mandat, na ny asa sy andraikitra nifanarahany tamin'ny vahoaka Malagasy nifidy azy.

Publié dans Politique

Taratasin'ny mpamaky

Ninianay tsy novaina ny lahatsoratra, na dia misy vary amin'anana kely aza.

Fifamoivoizana: Vahaolana aingana nefa tsy andaniam-bola

HENJANA ny embouteillages amin'izao ary TSY MISY IZAY TSY mikaikaika!

Nahoana ny mpitondra no tsy mahay miara-miasa amin'ny Commune dia manao fivoriana iarahana amin'ny POLISY/Zandary/ATT/Transporteurs (taxibe, taxi, camion).
Avoitra ao ny plan à court terme et gratuit pour lutter contre les embouteillages :
LA CIRCULATION ALTERNÉE !

Publié dans Sociale

Il y avait six mois de cela un observateur de la vie politique nous disait « la Communauté internationale (CI) adoube, les Malagasy avalisent ». cette phrase nous apparaît choquante à cette époque mais dans la réalité elle est vraie.

Publié dans A la Une

Delestazy no fototry ny hatezeran’ny mpanjifa, nanomboka omaly maraina ihany koa no efa tsy nisy jiro satria simba indray ny milina mpihary herinaratra sisa nandeha teo, nanampy trotraka ny tsy fahampiana gazoala. Sahirana ireo manao asa velontena, mikatso ny asa miankina amin’ny herinaratry ny Jirama.

Nisy ny dinika niarahan’ny OMC tarihin’ny lehiben’ny Distrika sy ny solontenan’ny mpanao fihetsiketsehana, nikatsahana vahaolana.

Nirava ny fitokonana taorian'ny fifanazavana. Misy gropy iray novelomina androany ary ifandimbiasana ny fahazoana jiro, fa miandry teknisianina avy any Fianarantsoa sy fahatongavana gropy amin’ny faran'ny herinandro ny eto Vangaindrano.

 

Publié dans Tselatra

Araka ny famoaham-baovao ao amin’ny pejy facebook an’ny Primatiora ny talata 29 janoary 2019, dia nampahafantarin’ny Praiminisitra, ny fisian'iray tamin'ireo mpikambana ao anaty governemanta izay nandika ny lalànan'ny fifamoivoizana, ka nampiasa anjomara sy jiro mirehidrehitra.

« Nandray andraikitra avy hatrany ny lehiben'ny Governemanta, ka nanome fampitandremana hentitra ho an’io ministra voakasika io, ary nampiato avy hatrany koa ilay mpamily ny fiara ».

Nazava ny toromarika nomen'ny Praiminisitra, ny zoma 25 janoary 2019, fa tsy azon'ny mpikambana ao anaty governemanta atao mihitsy ny mampiasa jiro mirehidrehitra, anjomara na mandeha amin'ny zotran-dalana voarara.

Manamafy ny Praiminisitra fa « tsy handefitra ny amin'ny fanajana ireo toromarika izay nosoniavin'ny mpikambana rehetra ao anaty governemanta, ka handray sazy henjana ho an'ireo izay mbola mamerina na minia mandika izany ».

 

Publié dans Tselatra

Trano miisa 203 no ravan’ny afo, ka fotodrafitrasan’ny Kaominina Amboasary Atsimo ny 15 amin’ireo. Afon-dabozia tsy voafehy tamina tokantrano iray no niandohan’ny loza.

Nanomboka tamin’ny telo ora maraina mahery teo ny afo, ary hatramin’izao maraina izao mbola miezaka mamono afo ny mponina.

Olana tsy fananan’ny tanàna sampana mpamonjy voina, ny ranon’ny Jirama ihany koa efa aman-taonany no tsy misy, ka nampiitatra ny afo sy mampananosarotra ny famonoana azy.

Anatin’ny fanaovana tombana ny fahavoazana sy fanisana ireo traboina ny solontenam-panjakana tarihin’ny lehiben’ny Distrika sy ny fiadidiana ny tanàna ka ny fivoriana anio tolakandro no hisian’ny tatitra mikasika izany. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Maro ireo fomba mety amokarana herinaratra, ary ananantsika avokoa ny akora sy ny fepetra ilaina amin'izany.

Ao ny avy amin'ny herin'ny rano, ny ranomasina, ny hafanana azo avy amin'ny tany, ny nokleary, ny rivotra, ny masoandro, ny biogaz, ny solika, ny gaz.

Raha tsotsorina, dia mila alternateur amin'ny ankapobeny, ankoatran'ny famokarana avy amin'ny masoandro, toy ireny bobine kely amin'ny jiron'ny bisikileta ireny, ka rehefa apetaka amin'ny kodiarana ilay bobine, ka miodina ny kodiarana dia miodina ny bobine, dia manome herinaratra mapandeha ny jiron'ny bisikileta.

Raisitsika ary ny rano.

Publié dans Editorial