Filtrer les éléments par date : lundi, 28 janvier 2019

Mandray anjara amin’ny foaran’ny nahandro sy lakozia ary ny asa manodidina izany, na « Shira 2019 » tanterahina ao Lyon- Frantsa ny 26 ka hatramin’ny 30 janoary 2019 i Randrianaivo Ambinintsoa Arson, fantatry ny maro amin’ny hoe : Chef Mbinina, mpanorina sady mpitantana ny « La gastronomie Pizza ».

Publié dans A la Une
lundi, 28 janvier 2019 15:07

Rova Manjakamiadana: Tany Masina

Tsara ilay finiavana hanao zavatra aingana sy lehibe, irariana ny fahavitan'izany, fa tandremo ihany fa ny toerana manankasina ohatr'ireny misy fombafomba maro, fa tsy idikidirana fotsiny toy ny chantier tsotra rehetra.

Gasy avy any avaratra aho, tsy misy alahelo na kely aza anamboarana ny Rovan'ny Merina, fa raha ny fahafantarako azy dia betsaka lavitra noho ny anay ny fombafomban'ny Merina.

Maro ny nikasa anamboatra azy io, fa maro koa ny vaky vava teo satria nanao amboletra fotsiny nanoloana ireo Zana-drazana.

Tsy misorona.
Patrick

Publié dans Sociale

Ny alahady 27 janoary, misasak’alina no nitrangana fanafihan-jiolahy tao Malazamasina, Kaominina Ambohimiarina II, izay toerana anaovan’ity Sinoa ity fitrandrahana volamena. Miisa fito ireo Sinoa miasa manao io fitrandrahana volamena anaty renirano ao io, miampy teratany Malagasy efatra, miaraka amin’ny mpandika teny.

Notafihin’ny jiolahy fito lahy mitam-piadiana, teny ambony sambo mibaby ny milina fitrandrahana volamena ambony rano ireto Sinoa ireto. Tamin’izany no nahafaty ity Sinoa ity, fantatra amin’ny anarana Wu-You Xin, 45 taona. Kapa famaky sy tsindrona antsy tamin’ny lohany sy tanany no nahavoa ka namparatra mafy azy ary nitarika amin’ny fahafatesany izao.

Naratra nandritra ny fifanjevoana ny iray tamin’ireo jiolahy saingy navotan’ireo namany nitsoaka tamin’ny lakana nentin’izy ireo.

Nidina nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary vao nahazo fampandrenesana mikasika ity heloka bevava ity.

 

Publié dans Tselatra

Niainga tao Maevatanana androany maraina ilay helikôptera nitondra ny lehiben’ny Faritr’i Betsiboka, ny komandin’ny vondrotobim-pileovan’ny Zandary Betsiboka, ny Komandin’ny Kaompanian’ny Zandary Tsaratanana, miaraka amin’ny Zandary roa hafa sy miaramila iray, nanao sidina fitsirihana na « survol de reconnaissance » ny toerana nitazonan’ny mpaka ankeriny « infirmier » iray antsoina hoe : Maxime, nisy naka an-keriny tao Manakana-Vohimboitra ny sabotsy 19 janoary lasa teo.

Tra-doza teo anelanelan’ny Kaominina Betrandraka sy Andriamena, amin’ny toerana antsoina hoe: Manakana-Bepilopilo ilay angidimby. Sarotra ny fifandraisana amin’ny toerana nitrangan’ny loza.

Publié dans Tselatra

Tamin’ny sabotsy 26 janoary no nitranga ny loza, roa andro aty aoriana tsy mbola hita ity lehilahy ity. Miakatra ny rano vokatry ny ora-mijojo. Nitsaka rano niampita ilay lehilahy, zakan’ny rano anefa izy nony teny afovoany. Mbola nahantso vonjy izy, ary ren'ny olona izany. Natao ny famonjena fa tsy nahomby izany, ary mbola mitohy mandrak’androany ny fikarohana azy.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 28 janvier 2019 08:14

Vers un verrouillage du pouvoir

Même si le 2nd gouvernement Ntsay et le 1er pour le président élu Andry Rajoelina est encore en rodage, il semble bien que les premières initiatives de la nouvelle administration sont celles du renforcement de son pouvoir.

En effet, le mandat des membres de l’actuelle Assemblée nationale se termine dans moins de deux semaines, selon l’article 2 de l’Avis de la Haute Cour Constitutionnelle n°01-HCC/AV du 16 février 2018 : « Les pouvoirs de l’Assemblée nationale et le mandat des députés qui la composent, issus des élections du 29 décembre 2013, arrivent à échéance le 5 février 2019 à minuit ». Cela a fait suite à une demande d’avis sur le sens et l’interprétation des dispositions de l’article 69 alinéas 1er et 2 de la Constitution.

La nouvelle administration veut donc convoquer le parlement (Assemblée nationale et Sénat) pour une session extraordinaire afin de faire passer une loi autorisant le président de la République à légiférer par « ordonnance dans les domaines réservées au Législateur (parlement) ». Cette session extraordinaire sera la dernière session pour cette mandature.

Publié dans Editorial

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety omaly alahady maraina ireo sampandraharaha telo voakasika, dia ny avy amin’ny rano, ny mponina ary ny fahasalamam-bahoaka.

Nanambara ny talem-paritry ny rano Tsirinasy Fenoriky : ’’Avy amin’ny tsaho momba rano malaza avy aty amin’ny Faritra SAVA nanomboka ny sabotsy hariva dia manambara izahay fa tsy marina izany fa tsaho niniana naely ny hoe : tsy azo sotroina, tsy azo androana rehefa miaka-masoandro androany Alahady 27 janoary 2019. Tsy maintsy tadiavina kosa iza nampiely io tsaho io fa tany misy fanjakana eto, ka sotroy ny rano, ampiasao ny rano".

Publié dans Vaovao
lundi, 28 janvier 2019 08:00

28 janvier

Journée mondiale de la protection des données.

 

Publié dans Fil info