Filtrer les éléments par date : samedi, 26 janvier 2019

Nivoitra io omaly nandritra nisian’ny fihaonana teny amin’ny Magro Tanjombato, nisian’ny fotoam-pivavahana, nampaherezan’i Marc Ravalomanana ireo mpiara-dia aminy, fotoana ihany koa nifampiarahabana noho ny taona vaovao 2019.

Publié dans A la Une
samedi, 26 janvier 2019 10:37

Morondava: Manadio tanàna sy morontsiraka

Taorian’ny andro ratsy ny fiandohan’ity herinandro ity, izay nitondra rotsak’orana betsaka ka naha dobo rano ny Fokontany sasany teto an-drenivohitry ny Faritra Menabe, ary koa nanimba fotodrafitrasa sasany dia manao rodobe manadio tanàna sy ny morontsiraka ny eto an-toerana amin’ity sabotsy 26 janoary ity, hetsika tarihin’ny Prefektiora sy Faritra ary ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava nanomboka ny maraina teo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

26 janoary 2009-26 janoary 2019 : feno folo taona katroka ilay hetsi-bahoaka notarihin’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo tamin’izany, Andry Nirina Rajoelina, nivadika ho fandrobana orinasa, famotehana fotodrafitr’asa ary koa fandorana fananan’olontsotra sy fananam-pirenena.

Teto Antananarivo no niaingany ny andron’ny alatsinainy 26 janoary 2009 na « Alatsinainy Mainty » azy, avy eo niitatra tamin’ny renivohi-paritra maromaro.

Maro ny takaitra hita-maso sy ratra am-po navelany izay tsy mbola mikatona hatramin’izao, nisy ihany koa ireo namoy ny ainy.

 

Publié dans Tselatra

Fitolahy mitam-basy kalachnikov no nanafika tokantrano. Niharan’ny herisetra ara-nofo ny vehivavy tao an-trano. Lasan’izy ireo ny vola manodidina ny iray tapitrisa Ariary sy kojakoja hafa.

 

Publié dans Tselatra

Voakasik’io fitoriana io ilay mpandraharaha Mbola Rajaonah, ilay kandida filoham-pirenena sady mpitsara Fanirisoa Ernaivo, ny mpanao gazety isany Rahajason Harry Laurent, Fidèle Razara Pierre, Fernand Cello, ny mpanao politika James Ratsima ary ny mpanakanto Bezara Eliane (Ninie Donia).

Enjehina ho manohintohina ny filaminana sy fiandrianam-pirenena, ary koa nivory ankalamanjana tsy nahazoana alalana teny amin’ny 13 mey tamin’ny fiandohan’ity taona 2019 ity izy ireo, rehefa nijoro nitaky ny fahamarinana mikasika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.
Ny Zandarimaria tao amin’ny Toby Ratsimandrava no nanao ny famotorana azy ireo. Omaly zoma 25 janoary no natolotra ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny raharaha.

Publié dans Politique
samedi, 26 janvier 2019 10:21

26 janvier

Journée Mondiale de la Douane et sur l'éthique.

 

Publié dans Fil info

Nanamafy nandritra ny filan-kevitry ny governemanta ny zoma 25 janoary teo ny Praiminisitra Ntsay Christian, amin'ny oha-pitondran-tenan'ny minisitra sy ny isan'ambaratongam-pahefana rehetra ho fanatanterahina ny progranan'ny Filoham-pirenena.

Notsiahiviny tamin'izany ireo soatohavina fototra, toy ny fahamarinana, ny fanajana ny teny nomena, tsy famadihana, ny tsy fombàna amin'ny atsy na ny eroa, ny firaisankina, ny fitazonana tsiambaratelo, ny fanekena ny antanan-tohatra, ny tamberin'andraikitra.

Nanafatrafatra ny Praiminisitra ny tsy ampiasan'ireo minisitra jiro sy hanjomara amin'ny fiara (gyrophare), indrindra ny fidirana amin'ny làlana voarara tsy azo aleha (sens interdit)

Samy nanao sonia io fifanekena fitondran-tena io avokoa ny minisitra rehetra.

 

Publié dans Politique