Filtrer les éléments par date : dimanche, 20 janvier 2019
dimanche, 20 janvier 2019 17:20

FFKM: Famindram-pahefana

Tanterahina eny amin'ny Katedraly Katolika Andohalo-Antananarivo ny famindram-pahefana eo amin'ny Mgr Samoela Ranarivelo Filohan'ny Eklezia episkôpaly malagasy - Anglikanina, filoha teo aloha, sy ny filohan'ny FJKM Irako Ammi Andriamahazosoa, filoha vaovao.

Ifandimbisan'ireo Fiangonana efatra mandrafitra ny FFKM ny fitantana, mihodina isan-taona.

 

Publié dans Tselatra

Namafisin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana any Kongo ny vokatra vonjy maika navoakan'ny CENI.

Ny sabotsy alina efa misasak'alina izy no nanao ny fanambarana fa nandresy tamin'ny isa 38% mahery ity Kandida mpanohintra ity. Azo raisina avokoa ireo fitorian'ny kandida hafa fa tsy mitombona, noho ny tsy fahampian'ny porofo.
Tsy nanaiky ny vokam-pifidianana ilay mpanohitra iray Martin Fayulu ka miantso ny rehetra hanao hetsika tsy hanaiky izany, ary milaza fa izy no nivoaka mpandresy.

Publié dans Tselatra