Filtrer les éléments par date : samedi, 12 janvier 2019

Nanaitra ny maro ny fanambaran'i Filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, ny amin'ny hoe, mandritra ny fianianan'ny Filoham-pirenena vaovao, dia fombafomba Repoblikanina no atao ka tsy asiana fotom-pivavahana na fianianana amin'ny Baiboly.

Inona tokoa moa no voalazan'ny Lalampanorenana?

Vao manomboka ny Lalampanorenana ao amin'ny Savaranonando dia milaza hoe

"Ny Vahoaka malagasy masi-mandidy,

Mametraka ny finoany an'Andriamanitra Andriananahary,"

Ary vao manomboka ny LOHATENY VOALOHANY

NY AMIN'NY FENI-KEVITRA FOTOTRA

"Andininy voalohany.- Firenena iray ny Vahoaka Malagasy ka mivondrona ho Fanjakana masi-mandidy, tokana, repoblikana ary tsy mampifangaro ny fitondram-panjakàna sy ny finoana.

"Repoblikan'i Madagasikara" no anarana entin’io Fanjakana io.

......

Publié dans Editorial

Efa afo miledaleda omaly tamin’ny 3ora maraina no tsikaritry ny olona,  tao amin’ny toerana misy ny tranon’ny depioten’Ambanja teo aloha, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara ary filohan’ny K25 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 farany teo.

Tsy fantatra mazava hatreto ny niandohan’ny afo hatreto. Ny marihina dia tao anatin’ny delestazy tsy nampirehitra ny jiro ny fotoana nitrangan’ny loza, ny andro ihany koa avy orana io alakamisy alina hifoha ny zoma io.

Trano fivarotana iray, miampy kioska sy « multi-service » no may.

Toerana mifefy eo amin’ny Fokontany Begavo, manamorona ny lalam-pirenena faha-6 ity niharan-doza ity.

Misokatra ny fanadihadiana.

 

Publié dans Tselatra

Ny alin'ny alarobia teo dia tsy nihambahamba ireo jiolahy niditra tao amin'ny tokatranona mpivarotra iray tao amin'ny fokontany Ampasambazimba, nanararaotra ny fahatapahan'ny herinaratra, ary avy hatrany dia nidaroka azy mivady tao.

Nofirain’ireo jiolahy tamin'ny antsy lava lela ny tanana anankiroa an'ilay ramatoa, ary afaka mihitsy. Rangahy vadiny kosa nilatsaka valanirano (mâchoire).

Nalefa notsaboina any Antananarivo izy mivady satria tsy vita teto Ambatondrazaka ny fitsaboana noho halehiben’ny ratra nanjo azy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Nitaky 12 tapitrisa Ariary ireo mpaka an-keriny ho tambin’ny famotsorana ilay mpiasam-panjakana tamin'ity herinandro ity. Naloan’ny fianakaviany ny vola nanavotana ny ainy. Taorian’io fandoavam-bola io vao nahafantatra ny zava-nitranga ny Zandary.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 12 janvier 2019 12:46

12 janvier: Journée des officiers

L’idée vient du Général Ramandazafy Louis Arthur « Ombimanga », ou Chef de la première promotion des élèves-officiers, ils étaient 40, entrée à l’Académie militaire d’Antsirabe le 12 janvier 1967.

Au début, le 12 janvier a pris le nom de « Journée des officiers sortants de l’Académie militaire d’Antsirabe ».

 

Publié dans Fil info