Filtrer les éléments par date : dimanche, 30 septembre 2018

Mpianatra 20 no nandalo teny amin'ny urgences hopitaly PeZaGa Androva hatramin'ny marainan'ny alahady teo,naratra vokatry ny fifanjevoana niseho ny alin'ny sabotsy 29 septambra teo. Vaky loha, vaky andrina, tataka  maso, tataka tarehy sy ny maro hafa, vokatry ny tora-bato ny ankamaroany, raha tena voa mafy kosa ny iray. 

Raha ny fandehan'ny tantara, nanao réception de novices tao amin'ny campus ambondrona  ny fikambanan'ny mpianatra avy any Befandriana avaratra.

Publié dans Tselatra

Saika zava-doza no niseho tao amin’ny Jirama Ambalavato Antsirabe ny harivan’ny sabotsy 29 septambra lasa teo. Tokony ho tamin’ny 8 ora latsaka folo hariva, dia nipoaka ny fitobian-tsolika iray, miaty 110 cc.

Publié dans A la Une