Filtrer les éléments par date : samedi, 29 septembre 2018

Nisokafana ny alakamisy 27 septambra ity hetsika ara-kolotsaina izay aty amin'ny FARITRA SAVA ity, ka ny Minisitra ny Fambolena sy fiompiana Atoa RANDRIARIMANANA Harison no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana no nilazany fa matetika zavatra ratsy no hafantaran’olona antsika fa raha vao miresaka lavanila dia zavatra tsara no hafantaran’izao tontolo izao, satria isika eto Madagasikara no voalohany amin’ny fanondranana izany maneran-tany.

Ny loza anefa tato anatin'ny roa taona tato dia hiarahantsika mahafantatra fa ireo avy any Etazonia any no manafatra ny ampahany betsaka amin’ny lavanila avy aty amintsika, ireo dia sarotiny amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona nefa nisy nahita io zavatra mahasarotiny azy ireo io dia ankizy nampiasaina tamin’ity sehatra ity.

Publié dans Sociale