Filtrer les éléments par date : samedi, 15 septembre 2018

Mpiambina iray maty voatifitra, vola manodidina ny 20 tapitrisa Ariary no lasan'ny jiolahy nitondra fitaovam-piadiana nandritra ny fanafihana kioska manao Mobile Money, na irony fandefasana sy fakana vola irony, teny amin'ny Bois Sacré Mahajanga.

Tamin'ny 7 ora latsaka folo minitra maraina, ora fanateran'ny mpampiasa ny vola hampiasaina mandritra ny tontolo andro no nisehoan'ny fanafihana.

Avy hatrany ny lehilahy iray dia nanao sinto-mahery ny vola haterina. Iny handeha hanaraka ireo jiolahy iny no nitifiran'izy ireo ilay mpiambina ka nahafaty azy teo noho eo.

Roa lahy no nanao ny fanafihana, ny iray nisaron-tava ary ny iray kosa tsy nanafina endrika. Basy poleta no nampiasain'izy ireo.

Publié dans Tselatra

Mitalaho amin'ny fitondram-panjakana ny Ray aman-dreniny Atoa Armand sy BE Eugenie izay monina eto Manakana, Kaominina Antsarabaria Vohémar momba ny zanaka vavin'izy ireo, izay nosazin'ny fanjakana any amin'ny tany arabo, raha fikasana nandeha nitady no nialany taty Madagasikara tamin'ny Janoary 2017.

24 taona i BE Jacqueline Antonia, ary raha ny fitantarany tamin'ny ray aman-dreniny dia tsy fifanarahana tamin'ny mpampiasa voalohany nahatongavany tany Koweït rehefa nifindra toeram-piasana hafa izy.

Publié dans Vaovao

Farmshop est présent à la Foire Internationale de l'Agriculture, qui se déroule actuellement du 13/14/15/16 Septembre 2018 au FORELLO EXPO Tanjombato.

Farmshop propose une ferme clé en main, suivant le budget et les attentes, avec une formation express par des sépcialistes de Farmshop, de LFL et d'AVITECH.

Mais au delà de la foire, Farmshop dispense également des formations toute l'année sur l'aviculture, petits ruminants, porc, biosécurité, bâtiment.

Aujourd'hui, tout le monde peut devenir éleveur, pour avoir de produits sûrs et de bonnes qualités, avec un service d'accompagnement.

 

Publié dans Economie

Naverin'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ary fitehirizana ny vakoka amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga ny fitantanana ny Village Touristique Mahajanga.

Nosintonina ny fifanarahana mandritra ny 20 taona nomena ny TVHFB na ny Tanora Vonona Hampandroso ny Faritra Boeny tamin'ny taona 2016, ary naverina amin'ny Kaominina nanomboka ny 10 septambra teo ny fitantanana ity toeram-pitsangatsanganana ity.

Tsy nambara mazava ny anton'izao fanapahan-kevitra izao na dia hita avy ety ivelany, fa voakarakara tsara ny Village Touristique ary samy miaiky ny rehetra fa madio sy milamina izany. Misy ireo mpiambina manokana natao hanara-maso ny eny an-toerana indrindra ireo mpilomano.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nivoaka ny harivan'ny zoma 14 septambra teo ny voka-panadinana ary nahitana fiakarana 2% raha mitaha amin'ny tamin'ny taon-dasa.

18,44/20 ny salan'isa ambony indrindra, azon'ny mpianatra iray ao amin'ny Saint Gabriel, ary mpianatry Sainte Jeanne d'Arc kosa ny tsara naoty faharoa sy Fahatelo.

Tovolahy iray no torana tsy nahatsiaro tena, naratra vokatry ny fifanosehana nandritra ny fijerena ny valim-panadinana teny amin'ny lycée Philibert Tsiranana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra