Filtrer les éléments par date : lundi, 13 août 2018

Nanamafy androany i Pety Rakotoniaina fa dia hapetraky ny Hetsi-bahoaka ho an'ny tena fanovana sy fanorenana ifotony (HFI) eny anivon'ny Fitsarana ny taratasy fitoriana ny filohan'ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina.

Raisin'izy ireo ho tompon'andraikitra amin'izay hiseho kosa ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny mambra ny governemanta raha mikiry hanatanteraka fifidianana amin'ity taona ity.

Dinika nasionaly no ambaran'ireo mpikamban'ny HFI fa vahaolana amin'izao krizy izao.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana androany ny antoko Malagasy Miara-Miainga na MMM tarihin'i Hajo Andrianainarivelo fa hanohana ny kandida Andry Rajoelina amin'ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin'ny 7 novambra 2018.

Kandida tamin'ny 2013 i Hajo Andrianainarivelo, nanapa-kevitra tsy hirotsaka fa hanohana olon-kafa amin'ny fifidianana ho avy.

Mpikambana ao amin'ny ARMADA ny MMM.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Daholo telo lahy nanafika tao Marovoay, Kaominina Bemanonga Distrikan'ny Morondava omaly tamin'ny 5ora hariva. Mafy ny fifandonana satria tsy nanaiky mora ny Fokonolona ka maty ny roa tamin'ireo dahalo, tafaverina ny omby 5 nangalarin'izy ireo. Mbola afaka nandositra ny dahalo iray na dia naratra mafy aza.

 

 

Publié dans Tselatra

Roa taona lasa izay hoy i Léocadis no nanomboka nikolokoloako ny hohoko. 6,5 sm ny halavany amin'izao.

Mahafinaritra ahy hoy izy ny maheno ireny olona malaza ary miavaka noho zavatra iray ireny, ka nanomboka teo no nampitsiry izany faniriako izany.

22 taona izao i Léocadis amin’izao, monina eto Antsirabe Sambava, fa any Fenoarivo Atsinanana no tena fiaviany.

Faniriany indray andro any mba ho voarakitra amin’ny boky “Guinness des records” misy ireo olona miavaka indrindra eto Madagasikara.

Amin'izao moa dia i Ayanna Williams mipetraka any Houston Amerika no mitana izany laharana voalohany izany amin'ny halavan'ny hoho mitambatra, mirefy 18 pieds - 10,9 pouces na 226,9 pouces na 574,04 cm na 5,7404m.

 

 

Publié dans Art et Culture

Nisy rangahy iray nanindrona antsy ary saika namono nahafaty polisy iray nanao ny asany ny alakamisy 09 aogsitra 2018 teo. Tao an-tokontanin'ny polisy teny amin'ny Boriboritany Fahatelo – Mahajanga mihitsy no nanaovany ny habibiany tamin'ity polisy ity.

Nahazo antso avy amina olon-tsotra ny mpitandro ny filaminana fa misy mpanao vola sandoka eny amin'ny manodidina an'i Tsararano. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy ary mbola tratra teny tokoa ny roalahy niaraka tamin'ny fitaovana nanaovana vola sandoka.

Publié dans Vaovao

Aleo ny safidin’ny vahoaka no hitsara fa hain’ny olona ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary, hoy ny fiohan’ny Antenimierandoholona Rakotovao Rivo manoloana ireo kandida filoham-pirenena sasany mihazakazaka mitety faritra milaza fa mampahafantatra ny vinanasany.

Mila manara-dalàna isika, hoy izy fa misy lalàna eto fa raha olona mieritreritra hirotsaka hofidina nefa izao sahady dia tsy manara-dalàna dia ho very ity firenena ity.

 

Publié dans Tselatra

Hisy hetsi-bahoaka hotarihin’ireo Ben’ny Tanàna manodidina ny Tsingin’i Bemaraha, ao Bekopaka amin’ny zoma 17 aogositra 2018 ho avy izao, araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanànan’i Bekopaka, Francklin Miandrizoky.

Ela nandeferana ny vahoaka izay mahatsiaro tsy misitraka ny tombontsoa amin’ny fisian’io faritra arovana izay mahasarika mpizahantany vahiny aman’aliny isan-taona io. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana.

Publié dans Tselatra

Hotanterahina rahampitso talata 14 aogositra 2018 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinana CEPE (Certificat d'Etudes Primaires Elémentaires).

 

Publié dans Tselatra

Première célébration de la Journée Internationale de la Jeunesse à Ambovombe. Le Président Rajaonarimampianina était au rendez-vous avec les Jeunes du Sud

Ambovombe-Androy a accueilli, pour la première fois de son histoire, la célébration de la Journée Internationale de la Jeunesse; elle était placée, cette année, sous le thème « Espaces sécurisées pour les jeunes ».

La capitale de l’Androy a vécu ces derniers jours, au rythme de rencontres et ateliers focalisés sur les jeunes, les perspectives professionnelles, à travers des volets économiques, culturels et sportifs.

Publié dans Sociale
lundi, 13 août 2018 09:51

13 août

Journée internationale des gauchers.

 

Publié dans Fil info