Filtrer les éléments par date : mardi, 22 mai 2018
mardi, 22 mai 2018 22:12

Lycée Moderne Ampefiloha

Activités pédagogiques perturbées suite à la grève des enseignants.

 
Publié dans Fil info

Hahazo ny azy afaka valo andro ireo mpanao fanisana any amin’ny Faritra, raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny INSTAT, Rajaonera Ida Clément.

Efa ao ny vola, fa ny famaranana ny lisitr’ireo mpanao fanisana manerana ny Nosy no anton’ny fahatarana, nisy rahateo ireo niala andaharana, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Publié dans Tselatra

Nifampitaona teo amin'ny CAPR Mahamanina ity andron'ny talata 22 mey ity ny sendika isany avy amin'ireo sampan-draharaha nanapa-kevitra ny hitokona. Ny DREN Matsiatra Ambony no nanome io toerana io taorian'ny fifanarahana tamin'ny Prefe sy ny mpitarika avy ao amin'ny SEMPAMA.

Hiova endrika ny fitokonana amin'ny alakamisy 24 mey izao. Hidina eny an-kianja izy ireo araky ny tapaky ny rehetra nandritra ny fihaonana androany.

Publié dans Vaovao

Efa nanomboka tamin’ny alakamisy 17 mey 2018 no mikatso ny fampianarana amin’ireo sekolim-panjakana eto Ambositra. Izany dia vokatry ny fitokonana ataon’ny mpampianatra, manohana ny hetsik’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana miisa 73.

Mianatra kosa ireo amin’ny sekoly tsy miankina.

 

Publié dans Tselatra

Nanolotra fitaovam-pitsaboana ho an’ny CHRR Ambatondrazaka ny Rotary Club Lac Alaotra. Notanterahina nandritra ny fitsidihan’ny governora 9220 Atoa Manoj Vagee taty an-toerana izany, izay nitokanana tsangambato ho mariky ny firoboroboan’ny fikambanana aty Ambatondrazaka.

Nambaran’Atoa Manoj Vagee fa “tsy afaka hiatrika ny hoavy raha tsy misy fahasalamana” koa noderainy ny Rotary Club Lac Alaotra nisafidy ny fanaovana asa soa tao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tanàna telo ao amin’ny Kaominina Keliloha, Distrikan’i Tsaratanana dia Ampasiry sy Andranomandry ary Antsahabe no lasibatry ny dahalo 26 lahy mitam-basy ny andron’ny alatsinain’ny pantekôty, 21 mey 2018.

Naharitra adim-pamantaranandro valo be izao ny fanafihana, nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ka tsy niala raha tsy tamin’ny 3 ora folakandro.

Nisy ny fifandonana, namoy ny ainy ny iray tamin’ny fokonolona. Lasan’ireo dahalo ny omby tamin’ireo tanàna ireo.

 

Publié dans Tselatra

Tsy afa-po amin'ny endriky ny fitokonana ny mpiasam-panjakana manao ny tolona eto Fianarantsoa.

Raha nahazo alalana hanao grevy izy ireo dia noferana hanao izany anaty trano sy toerana voafefy ihany.

Tsy misy filaharana an-dalambe eto an-toerana arak'izany, somary sorena ihany ireo mpanao grevy manoloana izany.
Hatreto dia eny amin'ny CAPR Mahamanina no toerana nankatoavin'ny Prefe hanatontosana ireo fitokonana. Maneho izany tsy fahafahampo izany ireo mpitarika manoloana ny zava-misy.

Vina manaraka ny hidina an-dalambe ho fanomezana hery ny tolona vokatr'izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra
mardi, 22 mai 2018 12:03

22 mai

Journée Mondiale de la biodiversité.

 

Publié dans Fil info
mardi, 22 mai 2018 11:05

A hue et à dia

Celui qui tire à hue et à dia (sous-entendu: simultanément) fait preuve d'un manque d'organisation certain ou est condamné à être écartelé. Au XVIIe siècle, on utilisait l'expression "il n'entend ni à hue, ni à dia" pour dire de quelqu'un que "on ne saurait lui faire entendre raison".

Cette expression s’applique à la situation actuelle à Madagascar, on a les 73 parlementaires qui continuent de réclamer à la Haute Cour Constitutionnelle (HCC) la « déchéance du président de la République », en s’appuyant sur la manifestation de la place du 13 mai avec les slogans « miala Rajao » (Rajao, quitte le pouvoir !).

En apparence, qui fait malheureusement figure de réalité, l’affluence sur la place demeure moyenne malgré des pics les samedis. Cela donne une impression d’essoufflement du mouvement.

D’un autre côté, différents partis politiques ressuscitent en intervenant partout dans les médias, soit pour réclamer le départ du chef de l’Etat, soit pour soutenir l’administration HVM.

L’actuel régime pense même faire des contres manifestations dans plusieurs localités du pays afin de démontrer qu’il est toujours en place et surtout contrer les plus actifs des opposants, c’est-à-dire les 73 députés.

Publié dans Editorial

Notafihin’ny andian-dahalo 20 lahy mirongo basy, ka ny roa manao fanamiana miaramila, vao mangiran-dratsy tao Ampitakely any Isinko, Kaominina vaovao ao anatin’ny Distrikan’i Tsaratanàna ny alahadin’ny pantekôty 20 mey 2018.

Milaza ho mpanara-dia omby very izy ireo nony tonga teo an-tanàna. Milaza ry zareo fa very teo Ampitakely ny dian’omby ka dia noraofin’izy ireo ny omby tao an-tanàna. Tsy vitan’izay fa naka olona telo, lehilahy roa sy vehivavy iray, koa izy ireo nataon’izy ireo takalonaina.

Tsy mbola tafaverina ao Ampitakely ireto farany hatamin’ny alatsinainy 21 mey mitatao vovonana.

 

Publié dans Tselatra