Filtrer les éléments par date : mardi, 15 mai 2018

Raha vao nanontaniana ity ny Benin’ny Tanàna lefitra izay misahana ny foto-drafitrasa dia tsy nisalasala nilaza fa tsy nandalo tao aminy ny fangatahana hanaovana fanorenana ary na dia nandalo aza dia tsy fahefan’ny ato amin’ny Kaominina no manome alalana olona hanorina foto-drafitrasa anaty « pas géométriques ».

Publié dans Vaovao

Fantatra io tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza omaly 14 mey 2018 tao Ampanefena, Distrikan’i Vohémar.

Noho ny haratsian’ny lalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar io, hoy ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Dr Sevamana Serzhino, dia Ampanefena manokana no azo atomboka fa ny an’ny Faritra rehetra ato SAVA dia miandry ny fahatongavan’ireo tolotra izay mbola mihitsoka ao anaty lalan-dratsy.

Publié dans Sociale

Une délégation de cinq membres, trois de la CENI sud-africaine et deux du ministère des affaires étrangères, est arrivée à Madagascar depuis ce mardi 15 mai pour une mission de quatre jours.

Ces Sud-africains ont rencontré le premier ministre Mahafaly Olivier ce matin à Mahazoarivo.

 

Publié dans Fil info

Nandeha ny resaka fa hisy ny fanoloana ny Tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga Atoa Rakotonirina Augustin. Ny zoma 11 mey 2018 teo no voatondro ho nanatanterahana io fanoloana io, raha ny fanazavan’ireo sendika miisa efatra eo anivon’ny orinasa.

Io Tale jeneraly io no nampitraka ny orinasa Fanalamanga, tamin’ireo tale jeneraly 10 nitantana ny orinasa Fanalamanga, na dia vao tao anatin’ny 3 taona monja izy no nitantana izany orinasa izany, hoy ireo sendika, koa lavinay hoy ireto farany ny fikasana hanala azy amin’ny toerany.

Publié dans Tselatra

Nivory tao amin’ny CEG Ratsimilaho ireo mpampianatra mpanabe mivondrona ao anatin’ny sendika SEMPAMA Nosy nisantaran’izy ireo io fitokonana io.

Hatreto dia sekolim-panjakana efatra no tsy mandray anjara amin’ny fitokonana io dia ny EPP isany La Marne, Todivelona Raphael, Esperance, ary Akaninjaza Romialo.

Miantso ireo sekoly tsy miankina ihany koa izy reo satria ny 80%-n’ny mpampianatra indrindra amin’ny kolejy sy lisea dia izy ireo avokoa.

 

Publié dans Tselatra

Sambo iray mitondra ny anarana SIKA, izay mpitatitra mampitohy an’i Mahajanga sy nosy Comores no rendrika raha mbola tsy niainga akory ny seranantsambon’i Mahajanga. Entana hatrany amin’ny 350 taonina sy olona 70 no efa tafiditra tao anatiny tamin'izany.

Tsy nisy ny aina nafoy fa simba avokoa ny entana tao anatiny ankoatra ny hazo izay nokasaina haondrana.

Betsaka ihany koa ny entana very nangalarin’ireo mpanararaotra izay nandeha lakana sy vedety mihitsy nanao latsak’alina nangalatra izay azo noraofina rehetra, hatramin’ireo entana izay tsy mbola azon’ny rano aza, ankoatra ireo efa lasan’ny ranomasina.

Publié dans Vaovao

Rava io maraina io ny birao maharitry ny mpanolotsaina monisipalin’ny Kaominina renivohitr’i Mahajanga. Nanapa-kevitra ireo mpanolotsaina rehetra fa horavana ny birao teo aloha noho ny fikasana in-droa miantaona hanongana ny Ben’ny Tanàna am-perin’asa, Andriantomanga Mokthar Salim izay voafidy tamin’ny anaran’ny antoko MAPAR.

Publié dans Tselatra
mardi, 15 mai 2018 11:01

Ambositra

Feno mpianatra eto Antampovinany

(Jereo sary tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mardi, 15 mai 2018 10:23

15 mai

Journée Internationale des familles.

 

Publié dans Fil info

Rotaka be eto Ambositra. Mandrava sekoly ny mpianatra CEG Ankorombe sy lycée Ankorombe, io maraina io.

Tora-bato be miraradraraka no andravan’ireo andiana mpianatra ireo ny ao amn’ny CEG Ambohimiadana, nitohy tao Antanomponivinany niazo ny lycée technique miaraka amin'ny kibay ny sasany.

Nisy mpitandro filaminana tazana ihany, fa vitsy an’isa, dia nikisaka. Nandamina ny lehiben'ny fampianarana fa tsy nihaino ireo andiana mpianatra fa nirodorodo nanohy ny dian'izy ireo.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2