Filtrer les éléments par date : lundi, 14 mai 2018

Ny sabotsy 12 mey 2018, tamin’ny iray ora maraina, no nisy dahalo roalahy niditra handroba tao amin’ny tanimbolin’ny Raim-pianakaviana iray tao Marojala Lokoho. Niaro ny fananany ilay Raim-pianakaviana ka raikitra ny fifanjevona, tamin’izay no voatsatoka lefona ny vatam-peny. Nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’izay.

Mbola nentin’ny hafanam-po hatrany anefa ilay Raim-pianakaviana ka nitozo nanao fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra dia tratra ny iray tamin’ny dahalo raha latsaka tao anaty heniheny fa ny iray tafatsoaka.

Efa natolotra ny Zandarimaria ao Farahalana ilay dahalo, ary ireto no nandefa azy tany amin’ny Fitsarana Antalaha androany 14 mey 2018, taorian’ny famotorana. Nidoboka am-ponja avy hatrany ilay dahalo.

 

Publié dans Tselatra

Ny alakamisy 10 mey 2018 no tonga niaraka tamin’ny Ray aman-dreniny nanatona ny Talen’ny EPP Anjagnoveratra, Cisco Sambava, Atoa Randrianasoa Jean Yves ilay tovolahy kely nianatra nifoka sigara ka saika nampirehitra ny sekoly, nangataka raharaham-pihavanana mba tsy hitondrana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana. Nanolotra 100.000Ar ary mbola hanao asa fanadiovana ny tokontan’ity EPP ity izy ireo tamin’izany.

Ny fiandohan’ny volana mey 2018 no nitrangan’io tany Anjagnoveratra dia izao naravona tamin’ny raharaham-pihavanana izao.

 

Publié dans Tselatra

Maro ny dahalo efa tratra, maty iharan’ny fitsaram-bahoaka ary dorana ny fatiny saingy toa tsy mahafay an’ireo dahalo izany. Saika isak'alina dia ahenoana asan-dahalo ao amin’ity Distrikan’i Lalangina, faritra Matsiatra Ambony ity.

Ny harivan’ny alahady teo, dia lasibatra ny fokontany iray ao amin’ny Kaominina Sahambavy. Lasan’ny dahalo amin’izany ny omby miisa dimy, ny akoho amam-borona, “panneaux solaires”, kojakojan-dakozia, fitafiana... Ts nisy aina nafoy saingy miaina anaty tebiteby ny mponina.

Efa fanindroany amin’izao io fokontany io no nisy nanafika.

(Jereo tohiny sary)
(Sary nomena, tandremo sary mahatohina)

 

Publié dans Tselatra

Depuis cet après-midi, un renforcement de la sécurité des membres de la HCC ainsi que la sécurisation du lieu a été constaté.

Une imminente décision attendue sur la requête en déchéance du président de la République, déposée par des députés de l’opposition?

 

Publié dans Fil info

L’unité de dépistage des cancers gynécologique du Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona a été entièrement rénovée et équipée de nouveaux matériels de soin. Ceci dans le but d’améliorer la prévention ainsi que les soins liés aux cancers pelviens.

Le dépistage ainsi que les soins dispensés sont désormais centralisés en un seul lieu.

 

 

Publié dans Fil info
lundi, 14 mai 2018 17:06

LTP Mahajanga: Mitohy ny fitokonana

Herinandro faha efatra nampikatso ny fampianarana teo anivon’ny LTP Mahajanga ity herinandro ity. Mbola mitohy ny fitokonana ataon’ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha.

Ny maraina teo, nisy ny fananganan-tsaina natao, ary nanambaran’ny mpitantana ny sekoly fa mitohy ny fampianarana ary miverina mianatra ny mpianatra rehetra, tsy nanaiky niditra ny efitrano fianarana anefa ireo mpianatra sy mpampianatra ka raikitra ny savorovoro.
Mbola mitana ny heviny sy ny fitakiana ataony izy ireo dia ny hialan’ ny talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny proviseur-ny lisea eto Mahajanga.

Publié dans Tselatra

Il était là et il est encore là ! Dans une brève déclaration à la presse après la cérémonie de lancement de la Semaine africaine de vaccin et de la Semaine de la santé de la mère et de l'enfant qui s’est tenue au Palais des sports Mahamasina ce matin, le Chef de l’Etat Hery Rajaonarimampianina a dit qu’il reprendra sa tournée nationale avec un objectif de prêcher le calme.

C'est aussi un moyen pour lui de masquer la poursuite de sa précampagne.

 

Publié dans Fil info

Ao anatin'ny tetikasa "Vitatsika io", dia hiova ny fomba fijery ny resaka fahasalamana.

Ny tanjona dia ny famokarana sy fampiakarana ny harikarem-pirenena, ka mila olona salama sy tomady andeha hiasa, mila mpianatra tomady handeha hianatra satria hiofana hiasa, ka hamokatra.

Tsy hijanona resaka sosialy fotsiny izany ny Fahasalamana fa ho antoka hisian'ny Malagasy hanana fiainana tomady sy ho lava andro hivelomana.

- Miainga amin'ny Reny sy ny zaza izany ny Fahasalamana, jerena manokana ny fahasalaman'ny Reny, indrindra fa izy bevoka. Mba ho ampy sakafo, hisy fanaraha-maso ny fahasalamany sy ny zaza ao ambohoka. Ny zaza kambana rehetra dia hiatohan'ny Fanjakana manontolo ny momba azy mandram-pahefenony 16 taona. Hisy vatsy na bourse hiditra amin'ny carte électronique n'ny ray amandreniny na izay mitaiza azy ireo.

Jerena manokana ireo faritra mbola manana fomba manary zaza kambana, izay asiana fanentanana sy alafady fa tsy mendrika izany fomba izany intsony ny vanin'andro ankehitriny.

Publié dans Editorial

Nisy adian’olona nilanja sorabaventy teo Anosy manoloana ny Lapan’ny Antenimierandoholona, ny maraina teo, niandry ny fandalovan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady niazo ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahentena Mahamasina, hanamarika ny fanombohan’ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza izay mifanindran-dalana amin’ny Herinandro afrikanina ho an’ny vaksiny 2018.

Lanonana arahina fizaran-javatra maimaimpoana toy ny vary sy menaka, hanehoana fa eo, ary mbola eo ny filoham-pirenena mijery ny sosialim-bahoaka.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Niverimberina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpitarika ny hetsika ho an’ny fanovana eto Sambava ny fitakiana ny fialan’ny filoha Rajaonarimampianina. Teo amin’ny parcage taloha eo Antanifotsy no nisian’ny famoriam-bahoaka ny sabotsy 12 mey teo.

Nitaky ny mangarahara tamin’ny nampiasana ny volan’ny CLD (Comité Local de Développement) anjaran’i Sambava ihany koa ny mpitarika.

Mbola mikatso ny fampianarana amin’ireo sekolim-panjakana eto Sambava amin’ity anio ity, noho ny fitokonan’ny Vondrona Sendikalin'ny Mpampianatra.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2