Filtrer les éléments par date : vendredi, 11 mai 2018

Nilaza ny Praiminisitra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, androany, taorian’ny niatrehany ny lanonana ara-pitsarana nametrahana amin’ny toerany ny filoha voalohan’ny Fitsarana an-tampony fa “Ny filoham-pirenena no tompon’ny teny farany satria voafidim-bahoka tamin’ny fomba demokratika izy".

Navoitrany fa "tsy mitsahatra na ny filoham-pirenena na ny tomponandraikitra rehetra mitady ny fomba hitadiavana marimaritra iraisana satria, tsy hisy afaka hitompo teny ho manana ny marina tanteraka, koa aoka samy hanana fanetren-tena amin’ny fitadiavana izay vahaolana tena mahasoa ny firenena.”

 

Publié dans Tselatra

Notontosaina androany 11 mey 2018 tetsy Anosy ny lanonana ara-pitsarana nandraisana ny fihanianana sy nametrahana ny filoha voalohan’ny amin’ny Fitsarana an-tampony, Rajaona Andriamanankiandriana, izay voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 27 febroary 2018.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Le Haut Représentant de l’Union Africaine a été dépêché à Antananarivo, du 7 au 11 mai 2018 par le Président de la Commission de l’Union africaine (UA), Moussa Faki Mahamat pour accompagner Madagascar sur la voie du renforcement de la paix, la sécurité, la stabilité et la réconciliation nationale.

Pendant son séjour dans la grande île, Ramtane Lamamra a rencontré le Président de la République de Madagascar, Hery Rajaonarimampianina. Il s’est également entretenu avec le Premier Ministre et Chef du Gouvernement, les Présidents des deux chambres du Parlement, le Président de la Haute Cour constitutionnelle (HCC) et le Ministre des Affaires étrangères, ainsi qu’avec les anciens Présidents de la République de Madagascar, Didier Ratsiraka et Marc Ravalomanana, l’ancien président de la Transition Andry Rajoelina et d’autres personnalités politiques ou religieuses malagasy.

Publié dans Politique

Tao amin’ny toeram-ponenan’ny solontenan’ny Papa Ray Masina etsy Ivandry, androany zoma 11 mey 2018, no nampihaonan’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM) ireo mpanao politika mifanandrina, fototry ny krizy eto Madagasikara.

Ny filoha nasionalin’ny antoko HVM sady filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao sy ny minisitry ny Asam-panjakana, ny fanavaozana ny raharaham-panjakana, ny Asa ary ny lalàna sosialy, Maharante Jean de Dieu, no nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Olivier Donat Andriamahefaparany, Sekreterana jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny minisitry ny fambolena sy fiompiana teo aloha, Rolland Ravatomanga, no nisolotena ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Publié dans Politique

Nahazoana alalana tamin'ny Prefen'i Fianarantsoa ny fivoriana sy ny fitokonana tanterahan'ny Vovonana sendikaly ao amin'ny fampianarana, hivondronan'ny ANEFA, CNM, SEMPAMA, SEMPAMA NOSY, eto Fianarantsoa. Fepetra notakiana tamin'izany ny fanaovana ny fihaonana anaty toerana voafefy fa tsy an-kalamanjana.

Ny Foibe-paritry ny Fanabeazam-pirenena eto no nanome efitrano malalaka ahafahana manatontosa izany. Milamina tsy misy korontana ny fivoriana.

Publié dans Vaovao

Misy vary lo sy efa simba nosivan'ireo mpiasana mpandraharaha indiana mpanafatra vary tratra tao Androranga omaly alakamisy.

Miisa 2.776 gony izy ireto ary saika vary "moto rice" avokoa. Ny nahagaga dia misy Polisy miandry ireto mpiasa sy ilay magazay, nefa tsy mba nanao tatitra tamin'ny lehibeny ny fisian'izany izy ireo, ny mpanao gazety nanao ny asany indray aza no norahonan'izy ireo.

Efa eo am-pelan-tanan'ny Zandary mitarika ny "Task Force" ny fanadiadiana ny raharaha. Mpiasa 44 sy ireto Indiana 02 tompon'ny vary no nosamborina.

Publié dans Tselatra

Tsy namelan'ny Fokonolona intsony rehefa ela nitoratorahana ity lehilahy iray ity. Mpanakan-dalana gaigilahy izy ireto ary manendaka izay olona sendra azy.

Efa maro ireo olona mpivahiny amin'ireny trano fandraisam-bahiny manodidina an'Amborovy ireny no lasibatra sy nametraka fitarainana.

Tratra am-bodiomby izy nony farany, teo ampanaovana ny asa ratsiny omaly alakamisy ary nifanenjehan'ny Fokonolona. Maromaro izy ireo no mpanao ity asa ratsy ity saingy izy no tratra farany.

Olona mipetraka eny amin'ny tanana antsoina hoe Bongo eny amin'ny Fokontany Amborovy ihany izy ireto.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Niveri-maina ireo olona maro nanan-draharaha teny amin'ny Domaine androany. Tsy nisy fanazavana mazava ny antony.

Omaly dia nisy fanambarana novakiana tamin'ny TVM/RNM milaza fa tsy manaiky ny faneriterena azy ny mpiasan'ny Ministera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena, fanajariana ny tany ary ny fampitaovana (M2PATE), fa miasa daholo manerana ny Nosy.

Tsy izay no nitranga teto Antsirabe na dia sampandraharaha eo ambany fiahian'ny M2PATE aza ny Domaine.

 

Publié dans Tselatra

Avis n°02-HCC/AV du 11 mai 2018 relatif à une demande d’avis sur la signification du Considérant 27 et de l’article 4 du dispositif de la Décision n°15-HCC/D3 du 3 mai 2018 portant sur la loi organique n° 2018-008 relative au régime général des élections et des référendums et du Considérant 26 et de l’article 2 du dispositif de la Décision n°16-HCC/D3 du 3 mai 2018 portant sur la loi organique n°2018-009 relative à l’élection du Président de la République.
La Haute Cour Constitutionnelle,

Vu la Constitution ;

Vu l’ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ;

Les rapporteurs ayant été entendus ;

Après en avoir délibéré conformément à la loi ;

Publié dans Politique

Tratra tao anatin'ny adiny roa sy sasany ny omby nangalarin'ny dahalo tao Ankamorilava Ambodikavola, Kaominina renivohitr'i Fianarantsoa. Ny alin'ny alakamisy hifoha zoma 11 mey ity no nitrangan'izany.

Noroahin'ny dahalo nianatsimo andrefana ireo omby miisa 6 sy nanaovan'ny Fokonolona koka sy fanarahan-dia. Avy hatrany dia namonjy ireo kizo sy lalana mazava ny andiana polisy avy ao Idanda sy ny FIP.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2