Filtrer les éléments par date : vendredi, 28 décembre 2018

Hitandro ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian'ny fety no hiasan'ireto polisy ireto andro aman'alina.

Efa mipetrapetraka ny rindran-damina hametrahana ireto mpitandro ny filaminana ireto, ka misy ampahany hanara-maso ireo tontakely eny amin'ireo toeram-pilanonana maro samihafa. Misy kosa eny amin'ireo toeram-pitsangatsanganana izay betsaka olona mifamezivezy tonga fety tahaka izao.

Misy koa ireo Polisy hidina eny amin'ireo Fokontany mafampana amin'ny tsy fandriampahalemana, ary ireo izay voatendry manokana handrindra ny fifamoivoizana.

 

Publié dans Tselatra

Ny alin'ny 18 desambra 2018 no nanatontosana ny photocopie miloko sy ny nandefasana ireo dika mitovin'ny vatom-pifidianana ireo tany amin'ny Kaominina Ambodimandresy sy Ambodimadiro ato amin'ny Distrikan'Antsohihy.

Faritra mena amin'ny tsy fandriampahalemana ireo Kaominina ireo. Tafakatra avo nihoatra ny 70%, na izany aza ny taham-pandraisana anjaran'ny mpifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny 19 desambra 2018.

 

Publié dans Tselatra

Androany marain’ity zoma 28 desambra 2018 ity, no nisy andian-dahalo zato lahy any ho any, manafika Fokontany maromaro ato amin’ny Kaominina Kaomajia, Distrikan’i Mampikony. Mirohotra mitsoaka miazo ny renivohitry ny Distrika avokoa ny mponina, manavotr’aina.

Fokontany efatra ao amin’ity Kaominina ity no notafihin’ny dahalo ny 19 desambra, androm-pifidianana ka tsy afaka nandatsa-bato ny olona.

Nisy solontenan’ny kandida filoham-pirenena Marc Ravalomanana nikasa hidina tany Kaomajia androany, hanangona porofo tamin’ny tsy nahatontosa fifidianana tamin’ireo Fokontany notafihin’ny dahalo tany an-toerana tamin’ny 19 desambra, saingy voatery niverin-dalana noho io fanafihan-dohalo niseho io.

 

Publié dans Tselatra