Filtrer les éléments par date : jeudi, 27 décembre 2018

Toby "Pointe Tanio" no anarany teo aloha. Tonga teto Toamasina ny praiminisitra Ntsay Christian fa tsy namonjy ny lanonana namoahan'ny CENI voka-pifidianana vonjimaika.

Niatrika ny fotoana ny fianakavin'i jeneraly Randrianazary izay notarihan'ny vady navelany.

Noho ity jeneraly ity isan'ireo Sekreteram-panjakana avy eto anivon'ny faritan'i Toamasina voalohany nihazona izany no nahatonga ny fanjakana nanaiky izao fanovana ny Tobin'ny fari-piadidian'ny Zandary Toamasina nampitondraina ny anarany izao tamin'ny faneken'ny fianakaviany.

Publié dans Vaovao

Média: Le Directeur de Publication du journal Le Citoyen convoqué par la Police demain 28 décembre 2018

Publié dans Fil info

CENI: Tsy tonga niatrika ny fanambarana vonjy maika ny vokam-pifidianana ny Kandida Marc Ravalomanana

Publié dans Fil info

Raikitra ny savorovoro tao Belle Souvenir Parcelle B, raha nahita fa indro nisy hanidy azy ireo tao anaty fefy, ka fantatra taty aoriana fa ny Conseiller Municipal no ao ambadik’izao, ka notoherin’ireto ny fanohizana ny asa.

Omaly dia nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitra amin’ny Kaominina, nijery ny olana misy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Etsy ankilany dia nilaza ny Kolonely Samby Théodore fa tsy niditra an-keriny izy fa nividy tamin’olona, ary ananany taratasy mazava tamin’izay olona nividianana azy ka nangataka mba avela malalaka hiditra amin’ilay tany.

Publié dans Sociale

Eo ampiandrasana ny vokam-pifidianana dia mihenjana ny tady eo amin'ny rehetra.

Raha ny lalàna dia manana 7 andro ianareo CENI, aorian'ny nandraisana ny vokatra farany avy any amin'ny ratsamangaika isan-tsokajiny.

Raha ny 25 desambra 2018 no farany nandraisanareo izany vokatra farany izany, araka ny fetr'andro napetrakareo, dia mbola manana hatrany amin'ny 1 janoary 2019 izany ianareo ny amoahanareo ny vokam-pifidianana vonjy maika.

Publié dans Editorial