Filtrer les éléments par date : mercredi, 26 décembre 2018

Par sa Décision n°33-HCC/D3 du 24 décembre 2018 concernant l’ordonnance n°2018-001 portant loi de finances pour 2019, la HCC DECIDE:

Article premier. – Les dispositions de l’ordonnance n°2018-001 portant loi de finances pour 2019 sont conformes à la Constitution et peuvent faire l’objet d’une promulgation.

Article 2. – La présente décision sera notifiée au Président de la République par intérim, au Président du Sénat par intérim, au Président de l’Assemblée Nationale, au Premier Ministre, Chef du Gouvernement et publiée au Journal officiel de la République.

Publié dans Fil info

Namana ianao ry Mpitsara Idealison, fa tena tsy azoko ity sary eto ity? Nanangona vokatra fifidianana raha ny sary no jerena, vokatra CENI ve ka nidiranao Mpitsara, sa vokatra N°13, ka inona no ataonao eo? Miaraka amin'ny tanana mazava?

Ny Mpitsara am-perinasa toa anao dia tsy afaka manao fihetsika toy izao, miasa eny amin'ny ministeran'ny fitsarana ianao, rehefa nesorina tsy ho directeur juridique n'ny présidence tamin'ny fotoana nitondran'i Filoha Rajaonarimampianina. Satria efa Directeur tao amin'ny Présidence ihany koa ianao tamin'ny fotoanan'ny Tetezamita HAT.

Mba miangavy kosa ny DPI (Direction de la Promotion de l'Intégrité) sy ny minisitry ny Fitsarana hijery an'izao sy hanao remis à l'ordre.

Publié dans Tselatra

Noreharehan'ny tao amin'ny CENI mihitsy fa dia avo lenta, tsy azo anaovana hosoka, toy ny vola mihitsy ity bileta tokana ampiasaina amin'ny fifidianana ity, satria dia hisy laharana manokana isaky ny bileta, izay hita amin'ny voditsosy, toy ireny billet ireny, ka efa fantatra mialoha avokoa ny laharana bileta alefa isaky ny Biraom-pandatsaham-bato, ka raha misy ny tsy milamina, dia azo jerena raha tena bileta tokony ho voatokana ho an'io birao io marina no nampiasaina, na bileta hafa nampidirina antsokosoko.

Rehefa natao anefa ny fanamarinana ireo bileta nampiasaina tamin'ity fihodinana faharoa ity, dia tsy misy laharana azo kikisana izany ireo bileta nampiasaina, sy nandaniana vola be nampanaovina tany Afrika atsimo, fa dia taratasy tsotra toy ireny famonosana mofo gasy ireny ihany.

Publié dans A la Une

La Commission Electorale Nationale Indépendante (CENI) procédera à la publication des résultats provisoires du second tour de l'élection présidentielle 2018. Laquelle se tiendra ce jeudi 27 décembre 2018 à 16 heures au siège de la CENI Alarobia.

 

Publié dans Fil info

Amin'izao fitadiavana ny marina ara-pifidianana izao, na dia maro aza ny fo mety hiakatrakatra, dia manainga ny rehetra, na ny mpomba ny andaniny, na ny ankilany, na ireo nanao vato fotsy sy vato maty, na isika marobe tsy tonga nifidy, mba ho tony, tsy ampiasa hery, na fiteny mandratra, fa samy hiaro ny marina hatrany.

Tsy vahaolana ny fifandonana ka hitondra ny Firenentsika amin'ny krizy hafa indray. Tsy misy tsy vitan'ny fifandeferana sy fifampiresahina.

Miandry ampitoniana ny vokatra tena marina avoakan'ireo rafitra tokony hamoaka izany, aoka kosa mba ny tena fanapahana araky ny rariny sy ny hitsiny, manara-dalàna no avoaka fa sanatria tsy hisy mizana mitanila, na hisy kolikoly sy fampitahorana.

Izay mandresy aorian'izay no ho Filohan'ny Firenena, izay tsy maintsy eken'ny rehetra, ary hiara-hiasa amin'ny rehetra.

Publié dans Editorial

Nindaosin'ny fahafatesana ny marain'ny talata 25 desambra 2018, ny pretra miandraikitra ny Justice et Paix eto amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa.

Lozam-pifamoivoizana tao Soavina Ilaka, amin'ny lalam-pirenena faha-7, no nandavo azy, tokony ho tamin'ny 11ora 30 tany ho any.

Diany hiakatra any an-drenivohitra izao tra-doza izao izy.

Tsy mbola fantatra ny fandaminana amin'ny fara-fananana azy hatreto.

 

 

Publié dans Tselatra