Filtrer les éléments par date : jeudi, 13 décembre 2018

Le prix littéraire Jacques Lacarrière décerné à Jean-Luc Raharimanana pour son roman Revenir

Ce lundi 10 décembre, le jury de cette première édition du prix littéraire Jacques Lacarrière, réuni à l’Institut du monde arabe et présidé par Gil Jouanard, a récompensé l’auteur malagasy Jean-Luc Raharimanana pour son livre Revenir, paru aux éditions Rivages en mars 2018.

Hommage au métissage et à la paix, cri de détresse et d’espoir, ce roman aux frontières de l’autobiographie est une déclaration d’amour à Madagascar et à la littérature.

Publié dans Art et Culture
jeudi, 13 décembre 2018 18:25

FAO: Fihaonan'ny Comité de pilotage

Notanterahina ny alarobia 12 desambra teny amin’ny fioben’ny FAO Ankorahotra, ny lanonam-panokafana faharoa amin’ny fihaonan’ireo comité de pilotage du Programme régional de sécurité alimentaire et de nutrition, sy ny fitokanana ireo birao an’i fikambanana regionaly ho an’ny fihahiana ara-tsakafo (URSAN).

 

 

Publié dans Sociale

Nitrangana fanafihan-dahalo taty amin'ny Kaominina Malakialina sy Mampikony II ny talata vao maraim-be.

Dahalo 55 mitondra basy kalaky iray sy Mas36 telo ary pilotra no nanafika ireo Fokontany amin'ny sisintany mampisaraka an'ny Distrikan'i Mampikony amin'ny Distrikan'Andilamena, dia Bepatso, Ambalavelona ary Ambalahasy.

Nanara-dia ireo Jamà efa-dahy, nanaraka avy ato aoriana ny Fokonolona. Nifankatratra tao Tampoketsa ireo dahalo sy ireo Jamà ny talata tamin'ny roa ora tolakandro. Nisy ny fifandonana. Lany bala ireo dahalo, ka pilotra sisa no nifanafihana. Tamin'izany no nahalavo ireo Jamà. Maty tsy tra-drano nokapakapain'ireo dahalo izy efa-dahy.

Publié dans Vaovao

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny hariva teo ny mandateran’ny K25 Antsirabe, nanoloana ny fahatratrarana ireo afisy marobe an’aliny misy sarin''i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, saika haparitaka teto Antsirabe.

Teo amin’ny toby fiantsonana teo Vatofotsy moa no nahatratrarana azy ity androany maraina ary avy any Antananarivo ny fiaviany.

Nambaran’i Maitre Norosoa Raharimalala fa tsy avy amin’ny foiben’ny K25 no nivoahan’ireny afisy ireny fa paika nentin’ny kandidà mpifaninana sy ny mpomba azy hanaratsiana ny kandidà Marc Ravalomanana.

Nambaran'i Maître Noro fa ny fampiasana ny sarin’ny kandidàn’izy ireo fotsiny nefa tsy nahazoana alalana dia efa heloka maha voasazy.

Publié dans Vaovao

Mafanafana ny fampielezan-kevitra aty Bealanana, Faritra Sofia. Androany raha samy teny an-dalana dia nobahanan'ny kubota nitondra mpanohana ny kandida 13 Andry Rajoelina, tarihin'ny solombavam-bahoaka voafidy tato Bealanana ny lalan'ireo fiara kamiao sy sprinter nitondra ireo mpomba ny kandida 25 Marc Ravalomanana.

Nendahin'iretsy voalohany ny afisy tamin'ireo fiaran'ny mpifanandrina. Voatery niantso Polisy ireto farany. Tonga ny mpitandro filaminana nandrakitra an-tsoratra ny zava-nitranga sy niditra an-tsehatra nisorohana ny fifandonana.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 13 décembre 2018 17:27

Gasypatriote: Nouveau record de consultation

Gasypatriote est le premier site internet Malagasy consulté dans le monde avec un record de 92 000 visites cette semaine, et plus de 4 millions pages vues mensuelle.

Si tous les journaux Malagasy, tout confondu, font des tirages journaliers de 50 000 exemplaires, Gasypatriote est visité par le double des tirages des journaux.

Nous remercions tous les internautes qui nous font confiance, ainsi que tous les partenaires qui nous confient leurs insertions publicitaires.

Certains malveillants essayent de nous pirater et bloquer notre site, mais nos informaticiens très professionnels mettent toujours en œuvres des moyens de protection pour que notre site fonctionne dans la meilleure condition possible.

Notre ligne éditoriale ne change pas, fournir en temps réel des informations fiables provenant de toutes les régions de Madagascar et des informations internationales. Dénoncer les abus d'où qu'ils viennent, lutter contre la corruption, éduquer nos compatriotes.

Nos analystes-éditorialistes sont entièrement libres de leur point de vue. Ils sont seulement tenus par l'éthique de la profession.

 

Publié dans Editorial

Nanao fanambarana tamina radio maromaro ny kandida Marc Ravalomanana androany atoandro fa nosotasotaina ny fampielezankevitra nataony tao Ambalavao Tsienimparihy. Norakofan’ny avy amin’ny mpifaninana sarin’ny kandida Rajoelina sy saina misy sarin’ity kandida ity ny toerana hanaovany fampielezankevitra.

Nandeha nankany amin’ny lehiben’ny Distrika ny raiamandreny teo an-toerana nampahafantarana ny zava-misy sy handraisana fepetra manoloana izany saingy tsy hita ity solontenam-panjakana ity.

Publié dans Tselatra

Manamafy ny Katolika fa tsy manohana Kandida na iza na iza, ireo Kristianina na Pretra na Relijiozy kosa dia samy manana ny safidiny, na dia voararan'ny Fiangonana aza ny manao fampielezan-kevitra ho ana kandida iray ho an'ireo Pretra sy Relijiozy.

Samy asiana ny afisin'ny kandida kosa ao amin'ny "Maison Provinciale" an'ny Missionnaire de La Salette, ahafahan'ny tsirairay mahafantatra ny vinan'ireo Kandida.

Tsy mitombina izany ny filazana fa ny Katolika dia manohana an'itsy na iroa.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 13 décembre 2018 14:26

RDC: May ny foibe-toeran'ny CENI

Atao ny 23 desambra izao ny fifidianana filoham-pirenen'ny Repoblika demokratikan'i Kongo, ny fifidianana solombavambahoaka ary ny faritra, nefa io maraina io dia nidonaka may ny foiben-toeran'ny vaomiera manokana momba ny fifidianana any an-toerana.

Nirehitra ao avokoa ny taratasim-pifidianana, sy ireo urne, isoloir, machine à voter efa ho 7000 isa.

Nilaza anefa ireo tompon'andraikitra fa tsy mampiova ny fikarakarana ny fifidianana izao tranga izao, satria 10% n'ny fitaovana ihany ireo may ireo.

Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny anton'izao firehetana izao, fa ahiana ho niniana natao satria niainga tamin'ny toerana roa niaraka ny afo.

Mifanilaka ireo Kandida, ka lazain'ny mpanohitra fa ny kandidam-panjakana no te hanemotra ny fifidianana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

"Avy amin’ny mpifaninana amiko sy ireo mpiara-dia aminy no manao sy manaparitaka ireny", hoy ny kandida Marc Ravalomanana androany tamin’ny fanambarana nataony.

Publié dans A la Une