Filtrer les éléments par date : vendredi, 09 novembre 2018

Nivoaka ity andron'ny zoma ity ny voka-pifidianana vonjimaika ho an'ny Distrikan'i Fianarantsoa. Nahazo vato 25 235 ny kandida laharana faha-13. Manaraka azy eo ny kandida laharana faha-25 amin'ny isam-bato 10 050.

Mitotaly 1 820 kosa ny an'ny kandida laharana faha-12, izay arahan'ny laharana faha-34 akaiky amin'ny isa 1 652.

Marihina fa 93 952 no isan'ny mpifidy voasoratra anarana, 43 313 no tonga nandatsa-bato, 2 796 no vato maty ary 42 033 no vato manankery.

Vokatra avy amin'ny birao-pifidianana 159/159 ireo notaterina ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Raha raisina ny Kandida 34:

- 0,1% x 10 kandida
- 0,5% x 15 kandida
- 0,7% x 06 kandida
- 1% x 02 kandida
- 3% x 01 kandida

Total 34 kandida = 17,7%
Reste 82,3% hifampizaran'i 13 sy 25.

Publié dans Politique

Teo ampikasana hanao fifanakalozana teny Mahabibo no tratran'ny vela-pandriky ny polisy avy eto Mahajanga ity tovolahy ity, niaraka tamin'ny vola sandoka mitontaly 16 660 000 Ariary na 83 300 000 Fmg.

Avy any amin'ny Distrikan'i Befandriana Avaratra ao amin'ny faritra Sofia ireto vola ireto ary tany ihany koa no nanamboarana azy, araka ny fanadihadiana. Saika hatakalo vola tena izy, ambanin'ny sandany ary hakana tombony avy eo ireto vola sandoka ireto, izany hoe raha 20 000 Ariary dia atakalo latsak'izay.

Publié dans Vaovao

Nampikoropaka ny mpiara-monina ity trangan'aretina hafahafa ity. Nisy avy hatrany ny fandraisana an-tanana azy ireo.

Mandeha ihany koa ny fanadinana ny nihavian'io aretina ambalavelona nahavoa azy enim-bavy io.

 

Publié dans Vaovao

Amin'ny biraom-pifidianana 156/170, na 91,6% amin'ny biraom-pifidianana, 63,5% ny an'i 13, raha 29,71% ny an'i 25.

 

Publié dans Tselatra

Hisy ny lamesa fanankinana hatao ao amin'ny Katedraly Mahajanga Be anio tolakandro mialoha ny hanitrihana ny vatana mangatsiakany ao ihany.

Nodimandry ny sabotsy 3 novambra tao Antananarivo teo amin'ny faha-58 taonany i Mgr Rakotondrajao Victor Solo.

28 taona naha mpisorona masina izy, 10 taona naha Eveka.

Mgr Rakotondrajao Victor Solo no Eveka faha-5 nitantana ny Diosezin'i Mahajanga, ary Eveka faha-2 milevina ao amin'ny Katedraly, izay toerana niasany farany sady efa hafatra napetrany fahavelona na avy ao amin'ny Diosezin'i Miarinarivo aza no fiaviany.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 09 novembre 2018 09:42

Ambohipo: Mpaminany tsy masina an-taniny

Resy tanteraka tao Ambohipo fonenan'i 34 ny Mpaminany, zara raha nahazo vato am-polony tamin'ireo biraom-pifidianana sasany, misy aza ny tsy namaky atody.

Ny teny Alasora misy ny fiangonana aza dia vato 5 no azo tamin'ny biraom-pifidianana iray. "Azandrano 5 hitombo isa io, fa hisy raha rahampitso sabotsy, fotoambavaka, ka asa raha ho sahy hifampiharahaba fanao hoe " Sabatry Jehova!! valiny: Pasteur Mailhol", hoy ny nambaran'ireo nanontaniana.

 

 

Publié dans Tselatra

Efa tsy zakan'ny maro intsony ny vidin'entana aty bazary, ny kilo henan'aomby efa manakatra ny 27 000 ariary (135 000fmg).

Ny feliky (anana), efa tsy mahazo 200 ariary. Ny vary efa ahena ny ho vidiana. Ny Jirama indroa avy heny amin'ny vidin'ny any Antananarivo, "karaha zahay aty zanaky kalo hafa, magnefa lafo noho ny Gasy jiaby" hoy ireo nanontaniana.

 

Publié dans Tselatra

Mampametram-panontaniana ny maro ny zava-misy ao amin'ny CENI, 2 andro ato aorian'ny nahavitan'ny fifidianana, dia mbola tsy misy vokatra aroson'ny CENI momba an'Antananarivo Renivohitra.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 09 novembre 2018 09:12

NOMBRE D'ELECTEURS PAR Région

REGION ELECTEURS


Total ANALAMANGA 1 906 399
Total BONGOLAVA 231 307
Total ITASY 363 050
Total VAKINANKARATRA 834 804
Total DIANA 333 164
Total SAVA 371 252
Total AMORON'I MANIA 297 894
Total ATSIMO-ATSINANANA 329 585
Total HAUTE MATSIATRA 525 376
Total IHOROMBE 153 566
Total VATOVAVY-FITOVINANY 505 607
Total BETSIBOKA 136 609
Total BOENY 378 492
Total MELAKY 124 262
Total SOFIA 498 959
Total ALAOTRA-MANGORO 492 843
Total ANALANJIROFO 433 067
Total ATSINANANA 577 149
Total ANDROY 314 031
Total ANOSY 289 297
Total ATSIMO-ANDREFANA 551 837
Total MENABE 265 049

Total général 9 913 599

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2