Filtrer les éléments par date : lundi, 05 novembre 2018
lundi, 05 novembre 2018 22:15

Jirama: Fahatapahan-drano teny Mahalavolona

Noraisin’ny JIRAMA ireo solotenan’ny mponina.

Nitondra ny fitarainan’izy ireo teny amin’ny foiben’ny JIRAMA Ambohijatovo Ambony ireo solotenan’ny mponina eny Mahalavolona Andoharanofotsy, androany. Izany dia noho ny fahatapatapahan’ny rano teny an-toerana nanomboka ny alin’ny 31 oktobra lasa teo, ary tapaka tanteraka mihitsy izany tamin’ny ampahan’ity toerana ity tao anatin’ny hateloana.

Nohazavaina tamin'izy ireo ny olana misy amin'ny famatsiana rano eto Antananarivo, anisan'izany ny tsy fahampiana, indrindra ao anatin'ny "étiage" isika izao sy ny fahanteran'ny fitaovana mitondra ny rano.

Etsy an-daniny nisy fahavakisana ny fantsona lehibe mpamatsy rano roa miainga amin’ny tombim-pamokarana ao Ankadivoribe, ka ny zoma 2 novambra alina vao hita, ny iray tao anaty alan’Iavoloha ary ny iray kosa nanodidina ny reniranon’i Sisaony.

Publié dans Sociale
lundi, 05 novembre 2018 18:52

Ambondromamy

Ambondromamy ny nofo mangatsiakan'i Mgr Victor io tolakandro io. Nandalo tao amin'ny Ekar. 
Tsy ela dia ho tonga Mahajanga.
Publié dans Tselatra

Voasambotry ny Polisy ireo efa-dahy tompon'antoka nahavanon-doza ary nandray anjara mivantana tamin'ny famonoana ilay tovolahy mpianatry ny oniversiten'i Mahajanga teny amin'ny bloc administratif Ampisikina ny 21 oktobra lasa teo.

Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny harivan'io 21 oktobra io, dia niaraka nanao connexion internet avy amin'ny Wifi an'ny sampandraharaha iray ao amin'ny Bloc i Jimmy sy ny namany no nisy enin-dahy (6) nanendaka ny findainy ary nanindrona antsy azy, izay nitarika tamin'ny fahafatesany.

Tsy mbola ampy taona ny roa lahy amin'ireto jiolahy ireto.

Publié dans Tselatra

Androany maraina no niala teto Antananarivo ny.nofo mangatsiakan'i Evekan'i Mahajanga Mgr Rakotondrajao Victor Solo, taorian'ny Sorona Masina fanaovam-belona sy ho fialantsasatry ny Fanahiny tao amin'ny Ekar Antanimena-Antananarivo.

Ny zoma 9 novambra tolakandro no hanaovana ny fandevenana azy ao amin'ny Katedraly Mahajanga.

Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teto Antananarivo, teo amin'ny faha-58 taonany i Mgr Rakotondrajao Victor Solo, rehefa notsaboina tao amin'ny Clinique des sœurs Ankadifotsy.

 

 

Publié dans Tselatra

Tapaka nandritra ny.fotoana naharitra ny herinaratra teny amin'ny Coliseum Antsonjombe nandritra ny faradoboka nataon'ity kandidan'ny HVM amin'ny fifidianana filoham-pirenena ity omaly alahady 4 novambra.

Tapaka ihany koa ireo haino aman-jery nampita nivantana izany faradoboka izay. Sabôtazy no nandraisan'ny kandida Hery Rajaonarimampianina ireo trangan-javatra ireo.

 

Publié dans Tselatra

Eo ampiandrasana ny.valin'ny fitiliana nalefa any amin'ny Institut Pasteur de Madagascar ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana ao Ifanadiana mialoha ny hanamarinana fa tena pesta ireto tranga roa ireto.

Voaray an-tanana ara-potoana ireo marary nahazo fitsaboana.

 

Publié dans Tselatra

Ireo Kandida milaza fa vaventy, ary mampiasa vola be, dia hatrany amboalohan'ny fampielezan-kevitra, dia tsy laitran'ny fananarana amin'ny tsy fanarahan-dalàna, ny CENI, ny HCC moa dia tsy nahitam-peo hanitsy na anasazy mihitsy.

Efa andro farany, na ora farany amin'ity alatsinainy ity, izay hifaranan'ny fampielezan-kevitra, dia indrisy fa nirona any amin'ny tsy fanarahan-dalàna ihany koa ireo kandida hafa, izay niezaka nanara-dalàna ihany teo aloha, raha ny fametahana afisy. Nefa dia ireo toerana natokana amin'izany, dia babangoana, fa eny amin'ny andrin-jiro sy vatakazo indray no lasa ametahana an'izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
lundi, 05 novembre 2018 09:53

Le grain de sable

On est à moins de 24 heures de la fin de la propagande et 48 heures du scrutin du 1er tour des présidentielles 2018. Ces élections ont été avancées suite aux « évènements d’avril » dernier qui ont vu la mise en place d’un « gouvernement de consensus » afin d’éviter des troubles durant ces élections et pour permettre d’éviter un éventuel « NI. NI.» comme en 2013. Sans oublier que la Haute Cour Constitutionnelle (HCC) a procédé au gel de la liste électorale afin d’ « éviter la présence d’électeurs fantômes », enfin !

Quoiqu’il en soit, on est sur la dernière ligne droite pour chaque candidat, pour ne pas dire le sprint final. Tous les candidats y vont de tout leurs efforts, certains grands favoris ont déjà les voix enrouées à force de meeting pour convaincre les électeurs.

Il y a même certains qui sortent leur 2nd souffle.

Publié dans Editorial

Nanao fanangonan-tsonia ary niazo ny masoivohon'ny Jirama eo Andafiatsimo ny mpanjifa mitaky ny hamahana io olana io maika.

 

Publié dans Tselatra

Namoaka fanambarana ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra tamin'ny alalan'ny filohany, Randriamiasasoa Doda, fa tsy afaka tanterahana amin'ity alatsinainy 5 novambra ity ny fifidianana filohan'ny Federasiona (FMF). Hivory anio ny "Comité exécutif" hamaritra ny daty hanatontosana io fifidianana io.

Tamin'ny sabotsy 3 novambra 2018 no tokony natao tao Sambava io fifidianana io fa tsy raikitra satria tsy tratra ny fetr'isa. 15 farafahakeliny ny mpifidy ilaina, izay filohan'ny ligy eto Madagasikara, dia 14 amin'ny 22 no tonga.

 

Publié dans Tselatra