Filtrer les éléments par date : dimanche, 04 novembre 2018
dimanche, 04 novembre 2018 21:37

Kitra: Maneho ny ahiahiny ny mpilalaon'ny Barea

Manoloana ny resaka mandeha ny mety tsy hahatanterahan'ny fifidianana izay ho filohan'ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra, tokony hatao rahampitso alatsinainy 5 novambra dia nanao fanambarana maneho ny ahiahiny ireo mpilalaon'ny ekipam-pirenena Malagasy.

 
 
Publié dans Tselatra
dimanche, 04 novembre 2018 21:27

Fifidianana

Hifarana ny alatsinainy 5 novambra misasak'alina ny fampielezan-kevitra

Publié dans Tselatra

Atao anio amin'ny 8ora alina, ao amin'ny Fiangonana Katolika Antanimena, ny lamesa ho fialantsasatry ny Fanahin'i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, Evekan'i Mahajanga.

 

Publié dans Tselatra

Tsy tanteraka ny sabotsy 3 novambra ny fifidianana filohan'ny Federasiona baolina kitra malagasy, natao teto Sambava, noho ny tsy fahatrarana ny fetr'isa.

14 amin'ny 22 ireo filohan'ny ligy, mpifidy, tonga, raha toa ka 15 no takiana farafahakeliny.

Vokatr'io dia ahemotra ny alatsinainy 5 novambra ny fifidianana.

Sivy ny kandida mpifaninana. Niala an-daharana tsy hifaninana taorin'io trangan-javatra io ny kandida Rakotomamonjy André Neypatraiky.

Milaza ny tsy handray anjara amin'ny latsa-bato ihany koa ny filohan'ny ligy Analamanga.

 

Publié dans Tselatra

4 novambra 1936 - 4 novambra 2018, feno 82 taona amin'ity anio ity ny Amiraly Ratsiraka Didier Ignace.

21 taona nitantanana an'i Madagasikara izy, ary kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin'ny 7 novambra 2018.

Hifarana rahampitso alatsinainy 5 novambra misasak'alina ny fampielezan-kevitra, fa tsy nanao izany i Didier Ratsiraka araka ny nambarany, izy izay mitaky ny hanitsiana ny lisi-pifidianana, lalam-pifidianana, Lalampanorenana mba tena hifanarahan'ny rehetra hisorohana ny savorovoro.

 

 

Publié dans Tselatra