Filtrer les éléments par date : mardi, 20 novembre 2018

Andro fahatelo androany amin'ny Universiade, izay fifaninanana ara-panatanjahantena ikatrohan'ny mpianatry oniversite sy ivontoerana ambony miankina amin'ny fanjakana.

Andiany faha-4 ity tanterahina mandritra ny herinandro eto Ambositra. Mizotra tsara ny fifaninanana hatreto, hoy Raveloson Mamitiana, mpikarakara.

Manodidina ny 1000 eo ny mpandray anjara miaraka amin'ny mpampiantrano. Manana solontena betsaka amin'izany i Mahajanga, misy atleta 200 latsaka kely.

Taranja miisa 11 no ifaninanana toy ny kitra, baskety, hand-ball lahy sy vavy, atletisma, tsipy kanetibe, échec, karaté, judo, judo (fampisehoana), tennis ary tennis de table.

Publié dans Sport

Ny alatsinainy 19 novambra tamin’ny folo ora maraina no tonga tao amin’ny biraom-paritra vaovao, izay vao napetraka aty SAVA ny Mpanolotsaina iray eo anivon'ny Kaominina ambonivohitr'i Sambava nangata-panazavana ny nahafahany nametraka ity birao ity ato amin’ny tranom-pokonolona nefa tsy nandalo "délibération" taty aminay ka nandidy ny hamohana ny entana tsy misy hatak’andro.

Niafara tamin’ny fifamaliana mahery vaika ny toe-draharaha.

Publié dans Vaovao

Dosie mikasika tsenan'asam-panjakana teo anivon'ny ministeran'ny fahasalamana no nanadihadiana azy androany. Hatolotra ny Fampanoavana eo anivon'ny Pôle anti-corruption rahampitso alarobia 21 novambra ny antontan-taratasin'ady.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 20 novembre 2018 14:28

SADC: Déclaration

Déclaration du Secrétariat de la SADC suite à la publication des résultats provisoires de l'élection présidentielle de 2018 à Madagascar

Gaborone, Botswana, 19 novembre 2018 : La Communauté de développement de l'Afrique australe (SADC) se félicite de la publication des résultats provisoires publiés par la Commission électorale nationale indépendante (CENI) le 17 novembre 2018, suite au premier tour de scrutin de l'élection présidentielle de 2018, tenu le 7 novembre 2018 à Madagascar.

La SADC félicite la CENI pour la publication des résultats provisoires et pour le travail qu'elle a accompli jusqu'à présent. Nous félicitons en outre le peuple malagasy et tous les acteurs politiques pour leur comportement ordonné et pacifique avant, pendant et après le premier tour de l'élection présidentielle.

Publié dans Politique

48ora aorian'ny famoahan'ny CENI ny voka-pifidianana feno vonjimaika no fe-potoana omen'ny lalàna ireo manana olana mikasika ny fifidianana hametrahana fitoriana eny anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC).

Namoaka fanambarana ity farany omaly fa hikatona anio talata misasak'alina ny fandraisana ny fitoriana eny Ambohidahy.

 

Publié dans Tselatra