Filtrer les éléments par date : lundi, 19 novembre 2018

Tsy misy asam-baomiera hanomboka ety raha tsy tonga mifanazava amin'ny minisitry ny fitantanam-bola sy tetibola izahay hoy ireo depiote.

 

Publié dans Tselatra

Filaharam-be nanodidina ny tanàna nipaka teny amin'ny kianja IST Ambositra.

Hitohy hatramin'ny 24 novambra ny fifaninanana. Hampiavaka ity hetsika ity ny savik'omby hatao amin'ny zoma izao.

 

Publié dans Tselatra

Tsy maka ny toeran'ny HCC akory fa fanadihadiana araky ny tantara sy ny didy efa navoakan'ny HCC no atao.

Ny lalàna dia mametraka fa ny CENI no manangona ny PV rehetra, manao saisie ary mamoaka ny vokatra vonjy maika. Ny HCC kosa dia omen'ny lalàna 9 andro amoahany ny vokatra ofisialy tsy azo ivalozana, aorian'ny nandraisany ny vokatra avy amin'ny CENI.

Midika izany fa tsy mamerina manao saisie intsony ny HCC fa ny vokatra omen'ny CENI azy, izay aza adino fa nisy PV avy amin'ny SRMV, izay mpitsara vita fianihanana daholo no mitarika azy isaky ny Distrika. Ny HCC izany tsy hanebaka velively ireo mpitsara sy ny CENI ireo.

Etsy ankilany anefa dia feno fitoriana efa tonga ao amin'ny HCC, na avy amin'ny mpifidy, na avy amin'ireo Kandida maro. Na ireo mitarika aza dia nametraka fitoriana sy fitarainana avokoa.

Publié dans Politique

Raiso amin'ny fo tony, ary izay no andinihina ny zava-misy eto amintsika hoe, atao ahoana ity fahasamihafana tokony ho harem-pirenena ity.

Publié dans Editorial
lundi, 19 novembre 2018 08:24

Sambava: Maizin-kitroka ny tanàna

Nirehitra omaly hariva io ny tariby mitondra herinaratra 20.000V an'ny JIRAMA izay miala avy ao amin’ny Centrale JIRAMA.

Vokatr'io dia maizin-kitroka ny tanàna manontolo.

Raha ny fanazavan'ny Chef Sous Groupement Jirama eto Sambava dia noho fahanteran’ny fitaovana no nahatonga izao, ary mety haharitra no hanarenana azy.

 

Publié dans Tselatra

Anio alatsinainy amin'ny 6ora hariva no handraisana ny voaloham-bokatra lodsia avy amin'ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, eny amin'ireo toeram-pandanjana.

Ho an'ny tsena anatiny kosa dia efa herinandro teo izao no tonga eto Antananarivo ny lodsia.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 19 novembre 2018 08:21

Fampianarana

Hiditra anio ny mpianatra amin'ny sekolim-panjakana.

 

Publié dans Tselatra