Filtrer les éléments par date : lundi, 08 octobre 2018

Un petit aperçu de l'anarchie qui règne à Sambava. Les représentants de l'Etat ne font rien et les gens font ce qu'ils veulent, sans aucun respect des lois.

(Photos Gasypatriote Sambava)

 

Publié dans Fil info

Tonga androany tany Mahajanga ny angidimby ampiasain'i kandida Marc Ravalomanana mandritra ny fampielezan-kevitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanokatra ny fampielezan-keviny tetsy Antsahavola Andriamatoa Jean Max RAKOTOMAMONJY androany, tao anatin'izany no nilazany ireo programan'asany hirotsahany ho Filoham-pirenena izao, ary anisan'ny namafisiny ny fanovana ireo lesoka teto amin'ny Firenena.

 

 

Publié dans Tselatra

Hiainga anio amin'ny 4ora tolakandro eto Sambava hiazo an'Antananarivo ny kandida Orlando taorian'ny loza nanjo azy.

Ny sabotsy tamin’ny 7ora hariva teo no tra-doza tampoka izy rehefa avy namita iraka tany Antalaha, izay nitafany tamin’ireo mpandraharaha lavanila momba ny antom-pilatsahany ho kandida filoham-pirenena.

Fiara 4X4 nofaina avy eto Sambava izay nitondra azy no nidona tamin’ny kamiao tamin’ny lalana mody ho aty Sambava tamin’izany dia tao Andranojoby Fokontany Antsaborara Kaominina Farahalana.

Publié dans Tselatra

Notanterahina ny zoma 05 oktobra 2018 tetsy amin’ny Resto Capricorne ny atrik’asa momba ny hoavin'ny sehatra lavanila aty amin’ny Faritra SAVA.

Nandritra izany no nandraisana paik’ady ho entina hanatsarana ny seha-pihariana lavanila eto amintsika hoy ny DDR SAVA Seramila Teddy, satria teto no nahaizana inona no laharampahamehana, izay lohalaharana tamin’izany ny fandriampahalemana ary ny fandaminana ny tsena, ary eo ihany koa ny famaritana ny daty tokony hisokafan'ny tsena amin’ny taom-pihotazana manaraka io.

Zavatra iray kosa no mba angatahinay avy amin’ny Plateforme Filière Vanille, hoy ny SG PRCP Rabenefintra Henri, dia ny mba ho tena fanoitra amin’ny fampandrosoana ny Faritra amin’izay ity lavanila ity, satria tsy izay ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao fa lasa miteraka olana ho an'ny toekaren'ny Faritra satria misy zavatra mandringa.

Publié dans Economie

Manomboka androany 08 okotobra 2018 amin'ny 6ora maraina ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, fihodinana voalohany izay atao ny 07 novambra 2018.

Publié dans A la Une

Nidina taty SAVA ny herinandro teo ny avy any amin’ny Unicef Madagascar, notarihin-dRtoa Nicolette Moodie (Chef de section Protection de l’Enfant), manao dinidinika tamin’ireo mpisehatra miady ho an'ny zon'ny ankizy, ary hahitana inona ny zava-misy, ny olana na mety sakana raha misy izany tsy hahafahan’ireo ankizy misitraka ny zony.

Ny Talem-paritra ny mponina ato SAVA Dr Marinjara Paul Edhino dia nanambara fa "mila mametraka tetik’asa haingana isika mba hahafahana mampihena ireo herisetra mianjady amin'ny ankizy na mahazo azy ireo ihany koa".

Publié dans Sociale

Toerana enina ihany no neken’ny fanjakana, ny prefektiora sy ny CENI Toamasina, azo hanaovana fampielezan-kevitra eto Toamasina, dia ny eo anoloan’ny orinasa “Auximad”, ny faharoa eo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny “Le Neptune”, eo koa ny kianja monisipalin’i Toamasina, ny kianja filalaovam-baolina ao Salazamay atsimo antsoina hoe “terrain poste”, ny kianja malalaka ao ambadiky ny “stadium”, ary ny kianja malalaky ny lisea teknika ao Tanambao V.

Publié dans Tselatra