Filtrer les éléments par date : dimanche, 21 octobre 2018

Ny reniny, handeha hivavaka maraina androany alahady 21 oktobra no nahita ity zanak'izy ireo faralahy, nifatotra fehikibo ny tendany nihantona mikiraviravy teo amin'ny tamboho.

Mbola nisy aina ilay tovolahy tamin'io nahitana azy io. Nifamonjena nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ainy.

Mbola nifampiresaka izahay mianaka halina, hoy i Mamy Basta. Tamin'ny 11 alina, taorian'ny vavaka hariva fanaon'ny fianakaviana vao samy namonjy efitranony avy natory.

Izaho no nanidy ny vavahady, hoy hatrany i Mamy Basta. Gaga izy ireo fa nivaha ny gadana manidy azy.

Publié dans Tselatra

Niova angaha ny lalàna mifehy ny fifidianana filoham-pirenena ? Resabe eto Moramanga io amin’izao vanimpotoanan’ny fampielezan-kevitra izao, indrindra tamin’ny nahitan’ny maro ny Tale jeneralin’ny orinasam-panjakana FANALAMANGA nisalotra akanjo misy sary sy larahan’ny kandida faha-12 Hery Rajaonarimampianina, ary niatrika propagandin’ity farany, nizara moto ho an'ireo Ben'ny tanàna.

Tendrena amin’ny didim-panjakana ny Tale jeneralin’ny orinasam-panjakana. Hiarovana ny tsy fitanilana dia tsy tokony handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra izy ireo, na dia maka fialantsasatra (congé) aza satria hisy fiantraikany amin’ny fihevitry ny olom-pirenena raha tsy hoe efa nametra-pialana, araka ny fanazavan'ny tomponandraikitra iray eo anivon'ny CENI Foibe.

 

 

Publié dans Tselatra

Tontosa omaly tolakandro tao amin’ny Lapan'ny Faritra Matsiatra Ambony, rehefa nifanolanana amam-bolana maro, ny fifidianana ny filohan’ny Ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony.

Enina ny mpifaninana, voafidy ho filoha nahazo isam-bato 5 Rtoa Raby Razafinambinina Myriame Eléonore, natolotry ny Zanakala, vavy tokana tamin’ireo mpirotsaka hofidiana ary vady andefimandrin’i Mamindraibe Rasolotafika, filohan’ny federasiona Malagasy kick-boxing.

Nanatrika fifidianana ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana (CNE foot-ball), solontenan'ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena ary ny avy amin’ny foibem-paritry ny fanatanjahatena Matsiatra Ambony.

Sambany no vehivavy ny filohan’ny ligin’ny kitra Matsiatra Ambony. Raby Myriame no mandimby toerana an’i Rarison Hilarion.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Fotoam-pivavahana lehibe teto amin’ny Kianja Andaboly androany 21 oktobra no nanakatona ny zaikabe nasionaly faha-20 ny Fiombonan'ny Kristiana Tanora Loterana Malagasy (FKTLM) rehefa naharitra herinandro nanomboka tamin’ny 16 oktobra.

Nanamarika ny fotoana androany ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo namorona hira faneva sy sary famantarana.

Afaka telo taona indray ny zaikabe manaraka.

 

Publié dans Tselatra

Toy ny vara-datsaka no nandraisan’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana RayDia na Diaraika ny fanambarana nataon’i Narson Rafidimanana teto Antananarivo fa hanohana ny kandida Andry Rajoelina izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 7 novambra 2018.

Raha nanao fivoriambe ny RayDia tamin’ny septambra 2018, hoy ny mpikambana, dia tapaka fa tsy manohana ary tsy manao politika ny fikambanana fa hanao asa soa fotsiny. Gaga izahay fa ny mifanohitra amin’izany no mitranga ankehitriny.

Betsaka ny mpikambana tezitra satria mahatsiaro ho natao fitaovana sy nofitahina. Tsy vitsy no nametra-pialana tsy ho mpikambana RayDia intsony noho io fanambarana nataon’i Narson Rafidimanana io.

Saika HVM mpiara-dia taminy fony izy minisitra ny ankamaroan’ny mpikambana RayDia na Diaraika.

Publié dans Politique

Ny Kandida tsirairay dia mahazo toerana voatokana hiantohan'ny CENI, hametahana afisy, mbola feno hatrany anefa ireo kandida mametaka izany eny amin'ny andrin-jiro, sy rindrin'olona tsy nahazoana alalana.

Misy mihitsy aza ny namorona panneau eny amin'ny arabem-panjakana, izay ny azy irery ihany no hita eo.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nofaohin'ny sakana amin'ny haavo tsy azo ihoarana ireo olona nitaingina teo ambony kamiao niditra ny kianja Ampasamasay nanaovan'i Andry Rajoelina fampielezan-kevitra.

Olona iray namoy ny ainy, farafahakeliny fito naratra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hatramin'ny nanombohan'ny propagandy fifidianana filoham-pirenena no niainan'ny mponin'i Boriziny, Faritra Sofia io olana io.

Maloto noho ny rano amin'ny vovo ny rano amin'ny paompy, ahiana hiteraka aretina.

Zara raha mandeha adin'ny efatra isan'andro ny jiro, noho ny fahasimban'ny milina mpihary herinaratra efa ho 15 andro izay.

Mitaraina ny mpanjifa, miandrandra vahaolana haingana.

 

 

Publié dans Tselatra

Fotoam-bavaka lehibe tanterahina eo amin'ny Kianjabe Mahamasina amin'ity Alahady 21 oktobra ity no hanakatona ny fankalazana ny Jobily faha-50 taonan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ( FJKM) sy ny faha-200 taona nahatongavan'ny London Missionary Society (LMS) nitondra ny Filazantsara teto.

Naharitra herintaona ny fankalazana, nosokafana tany Antsiranana ny aogositra 2017. Tao Toamasina, vavahadin'ny Filazantsara, ny ivon'ny fankalazana roa volana lasa izay, dia izao tonga amin'ny famaranana izao.

Nisy omaly fitokanana trano lehibe, toeram-panofanana Mpitandrina FJKM, eny Ivato tsangambaton'ity Jobily ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hanao hetsika eo amin'ny bord Toamasina ny Kandida Andry Rajoelina anio tolakandro, ka nilaza mivantana ireo mpikarakara fa omena 5 000 ariary izay mazoto mitsena azy eny Ambalamanasy sy ho avy eny amin'ny bord avy eo. Tsy maintsy manao tee-shirt kosa anefa.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2