Filtrer les éléments par date : vendredi, 19 octobre 2018

Hiaona amin'ireo masohivoho vahiny ny Praiminisitra rahampitso sabotsy 20 oktobra amin'ny 4ora tolakandro.

 
Publié dans Tselatra
vendredi, 19 octobre 2018 19:32

TVM en direct

TVM en direct
Rencontre Candidats - CENI
https://www.facebook.com/tvmalagasyofficiel/
Publié dans Fil info

Tontosa androany ny fifidianana filohan'ny ligin'ny baolina kitra Vatovavy Fitovinany (V7V).

Voafidy ho filoha i Andriano Giscard, Ben'ny Tanànan'i Manakara. Vato efatra no azony. Filohan'ny seksiona efatra no mpifidy, izay samy nametraka fitokisana taminy.

Telo ireo kandida nifaninana ho amin'ity toeran'ny filohan'ny ligy V7V ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Olona 13 no natolotra ny Fampanoavana noho ny fahatratrarana rongony teto Antsirabe.

Toerana efa malaza amin’ny aferan-drongony moa iny Atsimontsena iny ka nisy hetsika manokana nataon’ny Polisim-pirenena Antsirabe ka nahatratrarana ireto olona ireto niaraka tamin’ny rongony 2 kilao sy sasany izay efa vita fono hamidy ny sasany.

Nisy tamin’ireo olona ireo no mpivarotra sy mpanjifa ary nisy mihitsy ny tratra teo ampifohana izany zava-mahadomelina izany.

Nambaran’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena fa isan’ny mitarika ny tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’itony zava-mahadomelina itony ka izany no antony nanaovana ny hetsika.

Publié dans Sociale

Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisim-pirenena teto Antsirabe nandritra ny 10 andro teo ho eo.

Basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala niisa 10 no sarona teo Ampiaviana tamin’ity hetsika ity raha ny nambaran’ny Kaomisera Patrick.

Raha ny fanazavany ihany dia lehilahy iray antsoina hoe Rafama no tompon’ny ketrika ka any am-ponja mbola mamita sazy izy no manao ny afera amin’ny alalan’ny serasera amin'ny finday ary miantso ny olona mitondra ny basy sy manoro ny olona hivarotana izany, saingy izao sarona izao.

Publié dans Vaovao

Nosokafana ny alarobia 17 oktobra 2018 ity tsenabe lavanila izay andraisan’ireo fikambanana tantsaha na koperativa izay mamokatra vokatra maro samihafa toy ny kafe, cacao, lodsia, indrindra ny lavanila avy eto Madagasikara izay miara-miasa amin’ny Fairtrade Africa.

Natao izao tsenabe izao dia mba hivondronan’ireo fikambanana sy ny koperativa ireo mba hizara traikefa eo amin’ny fahaizamanao ny fambolena amin’ny famokarana lavanila indrindra, ary amin’ity ihany koa dia fotoana iray hahafahin’izy ireo mihaona mivantana amin’ireo vahiny izay mpanafatra ity vokatra ity avy aty amintsika.

Publié dans Economie

Ankoatra ny CENI dia miatrika ny fihaonana iarahana amin'ireo kandida filoham-pirenena ny Bianco, SAMIFIN ary koa ny vaomiera mpanamarina ny famantsiam-bola ny fiainana politika.

Tsy nipoitra ihany koa ny Kandida vitsivitsy.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina izao hariva izao eny amin'ny efitrano fivorian'ny CENI Nanisana ny fihaonana mivantana eo amin'ireo kandida filoham-pirenena sy ireo mpikambana ao amin'ny CENI.

Alefa mivantana amin'ny haino amanjerim-panjakana (TVM/RNM) ny fihaonana. Mandeha ihany koa amin'ny radio Antsiva.

 

Publié dans Tselatra

Nivoaka androany ny voka-panadinana bakalorea ho an'ny faritanin'Antananarivo.

44,48% ny taham-pahafahana tamin'ny 2017.

 

Publié dans Tselatra

Lasibatra ny Kaloara tao amin'ny Kaominina Imerimandroso, omby sivy no lasan'ny dahalo. Ny valan'omby efa mivoha midanadana no nanaitra ny tompon'omby.

Voatafika ihany koa ny tany amin'ny Kaominina Vohimena, Distrika Amparafaravola, ary ombin'ny Ben'ny Tanàna no lasa.

Tsy nahavaha olana ve ny hetsika MANDIO ?

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2