Filtrer les éléments par date : mercredi, 10 octobre 2018
mercredi, 10 octobre 2018 20:09

Morondava: Miakatra an-tanana ny ranomasina

Miakatra be ny ranomasina rehefa hariva ny andro, ary manondraka tanàna morontsiraka. Tranga izay nanaitra ny mponina eto an-drenivohitry ny faritra Menabe tato anatin'ny telo andro nisesy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nisy ny didim-pitondrana navoakan'ny ministeran'ny Ati-tany ny 5 oktobra teo mampiato amin'ny asany ny Ben'ny Tanàna, fanamafisana ny fanapahana noraisin'ny mpanolotsain'ny Kaominina Ambonivohitra Befandriana, Faritra Sofia.

Ny lefitry ny Ben'ny Tanàna no mandray an-tanana ny fampandehanana ny.asan'ny Kaominina.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 octobre 2018 20:02

Fifidianana 2018

Fametahana sary fampielezan-kevitra mahatsikaiky nefa mampieritreritra

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 octobre 2018 19:52

Morondava: Iray volana tsy mandre RNM

Olana teknika no antony. Nalefa any amin'ny foibe Antananarivo ny fitaovana mba hamboarina, tratry ampitso lava.

Fotoana ilan'ny olom-pirenena radio anefa izao, hanarahana ny vaovao, indrindra manodidina ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin'ity taona ity.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 octobre 2018 19:51

Manja: Tsy mandeha efa iray volana ny TVM

Dia sanatria tany lavitra andriana tokoa ve ny Distrikan'i Manja? Iray volana izao no tsy mandeha ny fahitalavim-pirenena TVM aty an-toerana.

Olana teknika no antony, efa any amin'ny foibe Antananarivo namboarina ny fitaovana fa tsy mbola tafaverina.

Seriny amin'ny ho fampanjariana ny fifidianana filoham-pirenena angamba ny fitondram-panjakana ka ny zava-dehibe, dia ny serasera no lasa ambanin-javatra.

 

Publié dans Tselatra

Hagagana ny an'ny rehetra nahita izany, ary be no nametra-panontaniana hoe : ara-dalana ve izao?

Teo amin'ny kianjabe Antsahavola Amparafaravola no nanaovan'ny kandida n12 Hery Rajaonarimampianina fampielezan-kevitra omaly talata 9 Oktobra.

 

 

Publié dans Tselatra

Atoa Richard Jeannot, izy no mpamily ilay kamiao izay nifandona tamin’ny fiara 4X4 nisy ity kandida ity tamin’ny Sabotsy lasa teo, ampidirana ny Fokontany Antsaborara Kaominina Farahalana.

"Malahelo zaho hoy i Richard Jeannot raha nolazaina fa nirimorimo ny kamiao nentiko ka nahatonga ny loza. Ny tena marina dia ny mpamilinao no nanomboka niala lalana izay mbola hita soritra io hatramin’izao na dia efa niezaka nandositra anareo aza izaho ka niafara tamin’izao.

Izahay ny nanana ny marina tokony hampianareo indray ve no diso ?"

Na izany aza dia apetraka amin’ny mpitandro filaminana izay efa nidina ifotony ihany koa mandray an-tanana ny fanadihadiana mba ahitana ny marina.

(Jereo sary tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 octobre 2018 08:46

JMJ Mada IX

Les candidats Eliana Bezaza, Marc Ravalomanana, Olivier Solonandrasana côte à côte lors de la messe d'ouverture hier mardi 09 octobre au Village Touristique-Mahajanga.

 

 

Publié dans Fil info

Omaly talata 09 oktobra tamin'ny 4 ora tolakandro no nahitan'ny olona vatana mangatsiaka natopan'ny onjan-dranomasina teo amin'ny Bord de la mer amin'ny ENEM.

Nanodidina ny tamin'ny 10 ora sy 11 ora no nahafatesany, hoy ny BMH.

Naterin'ny mpiasan'ny Kaominina eny amin'ny tranompaty hopitaly Androva ny razana.

 

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 10 octobre 2018 08:16

Fampielezan-kevitra: Manomboka ny sotasota

Misy mandrovitra ny afisin'ireo kandida mipetaka amin'ny takelaka natokan'ny CENI ho amin'izany.

Na eto an-drenivohitra, na any amin'ny faritra, dia ahitana tranga toy izany avokoa.

Vao manomboka anefa ity ny fampielezan-kevitra.

 

 

Publié dans Tselatra