Kitra-Mondial 2018: Tafita tamin’ny « tirs au but » i Angleterre
- mercredi, 04 juillet 2018 13:20
- Sary Net
Ny fihaonan’i Angleterre sy Colombie no nanakatona ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, tanterahina any Russie ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018.
Nirava sahala 1 noho 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 minitra, fe-potoana ara-dalàna. Tsy niova ny isa taorian’ny fanalavam-potoana. Taorian’ny « tirs au but » no nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 4 noho 3 i Angleterre.
Hihaona amin’ny ampahefa-dalana, holalaovina amin’ny sabotsy 7 jolay, i Angleterre sy Suède. Ity farany izay nandrava ny nofinofin’i Suisse, resy tamin’ny 1 noho 0.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
http://gasypatriote.com/jmj/item/16529-kitra-mondial-2018-tafita-tamin%E2%80%99ny-%C2%AB-tirs-au-but-%C2%BB-i-angleterre.html#sigProGalleriab6127e3698
http://gasypatriote.com/jmj/item/16529-kitra-mondial-2018-tafita-tamin%E2%80%99ny-%C2%AB-tirs-au-but-%C2%BB-i-angleterre.html#sigProGalleriab6127e3698
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.