ACMIL Antsirabe : Nandray ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana

  • lundi, 25 janvier 2016 14:45
  • Photo: Sobika Antsirabe
Nitsidika ny Akademia Miaramila Antsirabe androany alatsinainy 25 Janoary ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Antonio Sanchez Benenito Gaspar.
Sambany teo amin’ny tantaran’ity sekoly ambon’ny manamboninahitra ity no nisy olona ambony avy amin’ny Vondrona Eoropeana nitsidika ny ACMIL raha ny nambaran’ny komandin’ny sekoly sy ny vahiny. Antony moa dia eo ny maha sekoly ambony miavaka azy aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny ranomasina Indiana ka nahasarika ity olona ambony ity. Fa eo ihany koa ny ezaka ataon’ny sekoly amin’ny fanofanana ireo manambonihahitra hiatrika ny fampandrosoana sy ny fiarovam-pirenena.
Nambaran’ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard, komandin’ny sekoly fa fanamafisana sy fitadiavana fiaraha-miasa miaraka no tanjona, ho entina hanatsarana hatrany ny fampianarana sy fiofanana eo amin’ny sekoly.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.