Mahajanga : Daddy ben'ny tanàna vaovao?

  • dimanche, 24 janvier 2016 22:37
  • Sary Sobika Mahajanga

Rehefa novaina in-telo moa tao anatin'ny herin'andro ny anaran'ity kianja mitafo fanatanjahantena ity dia tonga nitokana izany ny Filoha Rajaonarimampianina tany Mahajanga anio alahady tolak'andro.

Raha kianja namoaham-bola natokana ho an'ny Kaominina izay tantanan'ny Kaominina, dia navadika kianja mitafo olimpika izany, nefa ny fampiasana ireny anarana sy famantarana olimpika ireny dia tsy maintsy ahazoana alalana mialoha amin'ny Komity olimpika iraisam-pirenena, dia nivadika indray ho lasa complexe sportif ity toerana efa voafaritra tamin'ny tetibola sy namoaham-bola fa ho an'ny Kaominina ity.

Ny zoma lasa teo aza moa ny Ben'ny Tanàna voafidy tao Mahajanga, Mokhtar Salim Andriantomanga, dia tsy nahazo niditra tao amin'ny faritry ny kianja, na dia an'ny Kaominina aza io foto-drafitr'asa sy ny tany io.

Mbola nahavariana aza moa, fa tamin'ny fahatongavan'ny Filoham-pirenena hitokana izany toerana izany na mbola tsy vita tanteraka aza, dia tsy nomena fitenenana ny ben'ny tanàna fa ny PDS teo aloha Tia Solofomanga Heriniaina fantatra amin'i hoe Daddy indray no nahazo micro.

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.