Andranovisy – Antsirabe : Efa misokatra ho an’ny rehetra ny dobo filomanosana

  • samedi, 23 janvier 2016 23:00
  • Sary Sobika Antsirabe
Misokatra ho an’ny rehetra ankehitriny ny dobo filomanosana ao Andranovisy Antsirabe taorian’ny fanamboarana sy ny fanatsarana izany hanaraka ny fenitra Olimpika.
Isan’ny mampiavaka ity dobo filomanosana ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ity ny hafanany voajanahary, izay tena sahaza ho an’ny vatana sy ny fahasalamana raha ny fanazavana nomen’Atoa Ravelomanantsoa Armand, tompon’andraikitry ny dobo filomanosana Andranovisy.
Misokatra isan’andro manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 12 atoandro ary amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva, ity dobo filomanosana ity. Ny atoandro kosa dia natokana ho an’ireo klioba.
Ny ONG Ranovisy no mitantana azy.
Commentaires (5)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.