Mahajamba : Lehilahy iray efa maty hita nitsingevana teny ambony rano

  • vendredi, 22 janvier 2016 18:37
  • Photo: fb
Io hariva io dia eo ampitaterana ireo traboina hiampita rano ny vedette-n'ny Aqualma no nahita faty efa nitsingevana teny ambony rano.
Marihina fa efa mahatratra 3000 amin'izao ny traboina any an-toerana, ny ao amin'ny fokotany Besakoa izay tsy tratran'ny rano, dia nandray ireo mponina efa tsy zakan'ny eny Ambodimanga, ny sekoly EPP dia efa feno traboina 350.
Ny Sefo fokontany Lova dia nitaraina fa tsy mahita hevitra intsony izy amin'ny sakafo omena ireto traboina. Ny rano sotroina tsy maharaka. Ny olona marary efa tsy misy fanafody.
Hatreto dia tsy misy mpitondra fanjakana tonga any an-toerana, ny Chef District milaza ho avy, nefa hatreto tsy hita.Ny tafika andrasana tsy tonga.
"Mahatsiaro ho kamboty izy ireo, toy ny Malagasy natao sesi-tany" hoy hatrany i Lova, "nefa rehefa haka ny crevette na makamba aty aminay ireo mpitondra dia hitan'izy ireo aty aminay" hoy izy nanamafy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.