« Permis de conduire biométrique » : Natomboka ny any Mahajanga

  • jeudi, 21 janvier 2016 18:38
  • Sary nomena
Roapolo minitra fara-fahelany dia vita ny karatra fahazoan-dàlana mamily fiarakodia « biométrique » iray.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fanovana io fahazoan-dàlana io ho an’ny tao Mahajanga. Tao amin’ny Ivon-toerana mpanome laharan’ny fiara na Centre immatriculateur (CIM) Mahajanga, ao amin’ny Bloc Administratif Ampisikina no nanatanterahana izany.
Eo amin’ny telopolo isan’andro hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny CIM Mahajanga, no hahazo ity « Permis de conduire biométrique » ity ety am-piandohana. Hitombo izany hoy izy, rehefa tena voafehin’ireo mpikirakira ny fitaovana, ary rehefa mahafeno ara-dalàna ireo an-tontan-taratasy takiana ireo olona mila.
Marihina fa 38.000 Ariary no sandan’ny karatra iray. Ary mandoa toy izay koa isaky ny manampy sokajy fahazoan-dàlana hitondra na hanolo ny very.
Ho fisantarana ny fomba fanaovana ilay « Permis de conduire biométrique » sy ho fanehoana ny endriny ary dia ny Prefet ao Mahajanga no nanaovana dika iray voalohany ho fanombohana.
Ny Alatsinainy ho avy kosa izao no hisokatra ho an’ny besinimaro ny famoahana karatra ho an’ireo izay efa nandraisana fangatahana marobe araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra.
 
permis2
 
permis
 
sobika Permis de conduire 1 flouté
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.