Akademia Miaramila Antsirabe : Notoloran’ny Firenena Mikambana boky marobe

  • jeudi, 21 janvier 2016 12:59
  • Photo: Sobika
Mitohy ny fiaraha-miasan’ny Akademia Miaramila Antsirabe sy ny sapan’asan’ny Firenena Mikambana miaro ny Zon’olombelona eto Madakasikara.
Ny Alakamisy 21 Janoary dia isan’ny vahiny manankaja noraisana tamin’ny fomba Ofisialy ny solontena vonjimaikan’io sampandraharaha io, Atoa Omer Kalameu, mpanolotsaina, izay misolo toerana vonjimaika ny sampan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara izay nanolotra boky ho an’ny sekolin’ny manamboninahitra ao Antsirabe.
Fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nosoniavina ny taona 2014 ity fanolorana boky ity, izay miompana amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ka ho ampiasain’ireo mpianatra ho manamboninahitra sy ny mpampianatra izany fitaovana izany.
Nampita ny fisaorana manokana ho an’ny eo anivon’ny Firenena Mikambana moa ny Jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard, izay mbola nisolo tena ny sekoly mba hampiasain’ny mpiasa sy ny mpianatra amin’ny tokony ho izy ireo boky marobe ireo.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.