Antalaha : Roa herinandro tsy nisy fiaramanidina

  • mercredi, 20 janvier 2016 13:02
  • Sary Sobika Antalaha
Mahagaga ny any Antalaha ny tsy isian’ny sidin’ny Air Madagascar mankany an-toerana nefa feno hatrany ny fiaramanidina miala any ary misy mpandeha tavela aza fa tsy zaka. Amin’izao na fiaramanidina madinika toy ny Twin aza tsy tonga any.
Andaniny voalaza fa mamono antoka ny zotra mankany Antalaha, ankilany indray dia ny haratsin’ny « piste » no tsy isian’ny sidina any.
Mahatsiaro mijaly noho izany ireo mpandeha Maroantsetra, Toamasina, Antananarivo.
Nisy ny fivoriana notarihin’ny lehiben’ny distrikan’Antalaha, nandraisan’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ny mpitantana ny seranana ny talata teo, tsy hanaiky ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.