Kaominina Morarano Gara : Olona iray matin’ny pesta

  • jeudi, 19 novembre 2020 20:05
  • Sary nindramina

Raim-pianakaviana iray sahabo ho 40 taona no fantatra fa matin’ny pesta (peste bubonique) tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Morarano Gara (MLA), Moramanga, androany alakamisy 19 novambra.

Nanamafy izany ny tompon'andraikitra iray izay nilaza fa voatery nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana ny eo anivon’ny fitantanana ny Kaominina.

Tonga nanamarina izany tany an-toerana ny tompon'andraikitry ny fahasalamana avy any Moramanga sy ny solontenan’ny mpitandro filaminana.

Nalevina tao amin’ny fasam-bahiny ao Antsimisoritra ny razana tamin’ny maty masoandro, taorian’ny fizahana araka ny voatondron’ny lalàna amin’ny tranga toy itony.
Manaraka ny fombafomba sy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ny fandevenana.

Mponina avy any amin’ny Fokontanin’i Sakalava, 10 km ao atsinanan’ny lalam-pirenena faha-44, ilay nindaosin’ny fahafatesana.
Nentina namonjy ny CSB II tao Morarano Gara ny marary saingy tsy tana ny ainy.

Nampandre haingana ny lehibeny ny tompon'andraikitry ny fahasalamana noho ny fahafantarana ny soritr’aretina.

Ny herinandro lasa teo dia nahenoana tranga hafahafa toa mitory ny fisian’ny valan’aretina pesta ihany koa tany amin’ny toeran-kafa.

Ahenoana olona tsy salama ahiahiana ho mararin’ny pesta ihany koa any amin’ireo tanàna saro-dalana any an’ala.

Hisy ny fepetra hentitra horaisina mba ho fitandroana ny fihanaky ny valan’aretina.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.