Bejofo Ambatondrazaka: Avotra ilay tovovavy nataon'ny andian-jiolahy takalonaina

  • mercredi, 07 octobre 2020 21:38
  • Sary: ZP

Tovovavy iray, 22 taona, no nataon'ny andian-jiolahy, mitam-piadiana nanafika, takalon'aina tao Anandrobe Kaominina Bejofo, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra-Mangoro, ny alin'ny 05 oktobra 2020.

Jiolahy miisa sivy no nanafika, ka vola 5 hetsy Ariary sy finday miisa telo no lasan'izy ireo. Nentin'izy ireo natao takalon'aina ny tovovavy iray zanaky ny tompotrano.

Nanao ara-dia avy hatrany ny Zandary, nampian'ireo Fokonolona teo an-tanàna. Tsy lasa lavitra fa teo Ambatomarozafy Fokontany Anandrobe ihany dia navotsotr'izy ireo ilay tovovavy, rehefa tsapan'ireo jiolahy fa ho mafy ny fifandonana.

Mbola karohina ireo olon-dratsy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.