Oniversite Fianarantsoa: Misedra olana ireo mpianatra avy amin’ny faritra DIANA

  • mercredi, 05 août 2020 21:16

Sahirana mafy ireo mpianatra avy amin’ny Faritra DIANA mianatra aty amin’ny oniversite Fianarantsoa miatrika izao fahamehana ara-pahasalamana izao.

Manodidina 40 eo izy ireo no maniry te hody eo anivon’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviny avy, nefa tsy misokatra ny lalana no tsy sahy, ny sarandalana rahateo lafo dia lafo 200 000 Ariary.

Hiandry fanampiana nefa tsy misy satria sahirana ihany koa ny ray aman-dreny any an-tanàna.

« Mafy ny fahasahirana mianjady amin’ireo mpianatra namana mbola tavela any Fianarantsoa, ka mila tolotanana sy fanampiana izy ireo », hoy i Kamisy Severin Jaofara, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any DIANA teo aloha, ity farany izay tafody any Nosy Be, talohan’ny nikatonan’ny lalana.

Misy ny « Vatsy Tsinjo » avy amin’ny fitondram-panjakana ary hisitraka izany fanampiana izany avokoa ny mpianatra, hoy Pr Rafamantanantsoa Fontaine, filohan’ny Oniversite Fianarantsoa omaly.

Araka ny filazan’ireo mpianatra dia vary 3 kapoaka, menaka 1/4L, savon singany 1, siramamy 1 kapoaka, sira 1 fonosana, voanjobory 1 kapoaka ary soja 1 fonosana isanisany no notsinjaraina tamin’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.