« Lalan'ny atody » : Mihisatra noho ny Covid-19 ny asa fanamboarana

  • mercredi, 05 août 2020 20:48
  • Sary nindramina

Mizotra saingy mihisatra ny asa fanamboarana ny « Lalan'ny atody », izay tetikasa natomboka tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina, fanampiana avy amin’ny governemanta Sinoa.

Ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia somary nihena ny fandroson’ny asa, izay vinaina ho amin’ny volana Septambra 2021 ny fahavitany.

Lalana mirefy 19 km, ary 14 m ny sakany no hatao tara, mampifandray Kaominina telo ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, dia ny Kaominina Mahitsy, ny Kaominina Ampanotokana, ary ny Kaominina Antanetibe Mahazaza.

Raha ny fandroson’ny asa dia eo amin’ny 80% no vita ny « travaux de terrassement », ny fotodrafitrasan’ny tetezana sy ireo lalandrano eo amin’ny 50% no tanteraka, 20% ny « chaussée » no vita, 70% ireo fitaovana tokony hampiasaina no efa tonga eto an-toerana.

Nidina ifotony nanara-maso ny fanamboarana sy fanarenana io « Lalan’ny atody » io ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, sy ireo mpiara-miasa aminy ny sabotsy 01 Jolay teo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.