Asan-jiolahy: Dimy lahy nanafika tokantrano iray tao Vohidiala Ambatondrazaka

  • mardi, 04 août 2020 14:29
  • Sary nindramina

Nalaky heno ny fikotrokotrohana varavarana, raha tsy izany dia efa tafiditra an-trano ny jiolahy mirongo fiadiana toy ny antsy lava.

Notsofina avy hatrany ny kiririoka ka nandositra niaraka tamin’izay ny mpanafika miisa dimy.
Tavela teo ny ampahany tamin’ny fitaovam-piadiana nentin’ireo nanana teti-dratsy.

Nigadona vetivety ihany koa ny Zandary nantsoina. Natao ny fanarahan-dia, saingy efa tsara fiafenana ny olon-dratsy.

Ny Alatsinainy 3 aogositra manodidina ny misasak’alina hifoha talata no nitrangan’izany tany amin’ny Village Pilote Vohidiala Gara (MLA), Ambatondrazaka.

Tena sahy tokoa ireo andian-jiolahy matoa mahavita manafika amin’ny alina diavola-mangoratsaka. Tsy vitan’izay fa ampovoan-tanàna no misy ity tokantrano kinendriny.

Mamboly sy manangom-bokatra no fotom-piveloman’ity tokantrano saika lasibatra ity. Heverin’ny mpitazana ety ivelany ho mitahiry volabe arak'izany ny tompon-trano.

“Efa henonay nihaodihaody teo an-tokontaninay ireo olona ireo tamin’ny tapa-bolana. Nanandrana nanokatra varavarana izy ireo tamin’izay saingy vetivety dia lasa”, hoy ny renim-pianakaviana nampita ny vaovao.

Ny alika namana mpiandry tanàna dia efa herinandro maromaro lasa izay no nomen’ny olona poizina tamin’ny alina. Ny fatiny nitsitra teo an-tokontany sisa no hitan’ny tompony.

Tsy maintsy miambina tanàna ny vatan-dehilahy manomboka anio talata alina, araka ny baikon’ny lehiben’ny Zanan-tobimparitra (Poste Avancé) Zandarimaria ao Vohidiala Gara (MLA).

Mandry andriran’antsy ny mponina aty Alaotra, indrindra rehefa tonga ny tonon-taona maina toy izao.
Tsy misy ny asa azo atao mandram-pilatsaky ny oram-pahavaratra indray. Ny fiakaram-bokatra anefa efa tapitra.

Balita

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.