Kaominina Ambohimangakely: Mikojakoja ny lalam-pirenena faha-2

  • mardi, 04 août 2020 10:44
  • Sary nindramina

“Commune Ambohimangakely miasa ho anao”. Izay no vakin’ny soratra hita tamin’ny takelaka nipetraka tamin’iny lalam-pirenena faha-2 teny Antsahalalina, eny amin’ny toerana manakaiky ny fiviliana mankany Andralanitra iny, ny alatsinainy 3 aogositra.

Nahitana vatan-dehilahy vitsivitsy manadio ny sisin-dalana sy manala ny fasika amam-pako manentsina ny tatatra manamorona ny lalana teny an-toerana.

“Tsy misy ny fifanarahana manokana tamin’ny ministeran’ny asa vaventy. Ny Kaominina Ambohimangakely no tonga dia naka ny fanapahan-kevitra”, hoy ny iray tamin’ireo mpiasa.
“Efa an-taonany maro no tsy nisy fikojakojana ity lalana ity. Ny olona rahateo manana fahazaran-dratsy manary fako anatin’itony tatatra itony. Ny fahavaratra anefa ity efa ho avy ihany”, hoy hatrany izy.

Entanina hitandro ny fahadiovana sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy ny mponina eny amin’ny manodidina, araka ny teniny ihany.
Hatrany Ambohimahitsy ny asa fanadiovana efa vita, araka ny nambarany. Tsy afaka nanome sorabola anefa izy.

Soritan’ny fehezan-dalàna momba ny lalana ny andraikitry ny rantsamangaikan’ny fanjakana eo anatrehan’ireo sokajin-dalana misy.

Andraikitry ny ministeran’ny asa vaventy, izany hoe ny fitondrana foibe, ny lalam-pirenena sy ireo lala-migodàna izay vao kasaina hamboarina.
Manana ny manandrify azy ihany koa ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana toy ny Faritany sy ny Faritra ary ny Kaominina.

Voafetra ho ireo lalankely izay mampifandray tanàna sy zanabohitra manerana ny vakim-paritra iadidiany ihany no azon’ny Kaominina sahanina.

Ho an’Ambohimangakely dia manomboka ao Soamanandrariny/Mahazo ny sisintany mampifandray azy amin’ny Kaominina ambonivohitr’Antananarivo.

Lalovan’ny filoha Andry Rajoelina matetika iny lalam-pirenena faha-2 mamakivaky ny faritanin’Ambohimangakely iny rehefa hihazo ny lapan’Iavoloha avy eny amin’ny trano fonenany eny Ambatobe izy.

Balita

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.