Brickaville RN2: Lehilahy tsy salama saina nitsoraka tao ambany kamiao mandeha

  • lundi, 03 août 2020 12:03
  • Sary nindramina

Posy bisikilety nandalo no nitsorahany voalohany, saingy afa-niala azy, nony nandalo indray kamiao iray, tsy mitondra entana, avy ao Antananarivo hiazo an’i Toamasina dia iny no nitsorahany.

Tampoka tamin’ny mpamily ny tranga, tsy nisy azo nialana. Voahosin’ny kodiarana aoriana teo amin’ny faritry ny lohany ilay lehilahy tsy dia salama saina, ary maty tsy tra-drano.

Teo Ambalatenina, tsy lavitry ny biraon’ny Jirama Brickaville no niseho ny loza, ny sabotsy 1 jolay tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.