RN 12 Amborobe: Mpitondra bisikilety maty tsy tra-dano voadonan’ny kamiao mpitondra solika

  • dimanche, 02 août 2020 12:26
  • Sary: ZP

Niampita tampoka ny arabe ilay mpitondra bisikilety no voadonan’ny kamiao mpitondra solika. Maty tsy tradrano ilay rangahy mpitondra bisikilety, 45 taona, nivadika ambony ambany ilay kamiao.

Teo amin’ny sampanana Tsianivoa Kaominina Amborobe, Distrika Vohipeno, amin’ny lalam-pirenena faha-12 no nitranga ny loza, ny tolakandron’ny 29 jolay teo.

Nitondra gazoala sy solitany 11 000 litatra avy Manakara, haterina any Farafangana ilay kamiao tra-doza. Ny mpamily irery no tao anatiny, izay naratra mafy ihany koa, ary nalefa notsaboina tao amin’ny hopitaliben’i Manakara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.