Hetsika sosialim-bahoaka: Tokantrano 200 000 isa no hisitraka ny fanampiana eto Antananarivo

  • samedi, 01 août 2020 19:13
  • Sary nomena

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany 01 Aogositra 2020, tetsy amin'ny Kianja Malacam Antanimena, ny Hetsika sosialim-bahoaka ho an'ny eto Antananarivo renivohitra Faritra Analamanga.

Tokantrano hatramin'ny 200 000 isa no hisitraka ny fanampiana, izay ahitana vary 1 gony isan-tokantrano, ary ireo entana sasany ilaina amin'ny fiainana andavan'andro.

Tonga nanokatra izany ny Filoha Andry Rajoelina, notronin'ireo mpikambana vitsivitsy ao amin'ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Teny an-toerana koa ny Governoram-patitra Analamanga sy ny Ben'ny tanàna Antananarivo-Renivohitra ary ny sasany tamin’ireo Solombavam-bahoaka voafidy teto Antananarivo.

Nambaran'ny Filoha fa zava-dehibe ny fitsinjovana ny mpiray tanindrazana ato anatin'izao fihibohona izao. « Tsy ho ela dia ho resy ihany koa ity aretina ity », hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.