Andalatanosy Androy: Dahalo 1 lavo, tafaverina ny omby 52, omby 8 maty

  • samedi, 01 août 2020 19:03
  • Sary nindramina

Notafihin’ny andian-dahalo mirongo basy sy lefona ary pilotra ny tanànan’i Marandoha, Kaominina Andalatanosy, Distrika ambovombe Androy ny alakamisy 30 jolay tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Lasan’ny dahalo tamin’izany ny omby 60.

Roso nanaradia avy hatrany ny Zandary sy ny Fokonolona. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny mpanaradia sy ny dahalo rehefa nifankatratra tao amin'ny tendrombohitra Analamitampy izay fari-piadidian’i Beraketa.

Vokany, dahalo iray no lavo, omby 52 no tafaverina amin'ny tompony, raha omby 08 no maty. Tsy nisy naratra ny Zandary sy ny Fokonolona nanaradia.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.