Tanibe – Mananara Avaratra: Telo lahy mpangalatra lavanila voasambotry ny Fokonolona

  • mardi, 28 juillet 2020 18:43
  • Sary nomena

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny Quartier Mobile ny mpangalatra lavanila tao Andongona Fokontany Antanambao, Kaominina Tanibe, Distrikan’i Mananara Avaratra, omaly tolakandro. Telo lahy izy ireo. Nikasa ny handositra ny iray tamin’izy ireo, saingy nalaky voasambotra ary naratra vokatr’izany.

Natolotry ny Quartier Mobile ny Zandary ny harivan’io ihany ireo olon-dratsy, ary androany vao mangirandratsy dia nentina ao Mananara Avaratra hatao famotorana sy ho fiarovana ny ain’izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.