Mahabo- Amboasary Atsimo: Kaporaly nitifitra ka nahafaty sivily zanaka sefo Fokontany

  • mardi, 28 juillet 2020 18:34

Tovolahy iray, 21 taona, no maty tsy tra-drano notifirin’ny miaramila iray avy ao amin’ny 1/RM5 Toliara, manana galona kaporaly. Tao Mahabo Centre, Distrika Amboasary Atsimo no niseho ny loza, omaly atoandro. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny fitifirana nataon’ilay miaramila.

Basy kalachnikov no nampiasan’ilay kaporaly nitifirana, ary bala roa no niantefa tamin’ilay tovolahy avy ao an-damosiny ka nahafaty azy, araka ny fanamarinana nataon’ny dokotera.

Zanaka Sefo Fokontany ilay tovolahy voatifitra. Efa nalain’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakany taorian’ny fanamarinana.

Nanokatra fanadihadiana ny Zandary avy amin’ny Poste Fixe Mahabo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.