Nosy Be: Novatsiana fitaovana sy fanafody hitsaboana ireo marary Covid-19

  • lundi, 27 juillet 2020 19:37
  • Sary nindramina

Tonga taty Nosy Be ny filoha Andry Rajoelina mivady androany nametraka paikady hifehezana avy hatrany ny mety ho fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19.

Nisy ny fanolorana fitaovana fanaovana fitiliana sy ireo fanafody hitsaboana ireo marary ao amin’ny Hopitaly be. Nahazo concentrateurs d'oxygène roa ny hopitaly hanampiana ireo efa misy ao hamonjena ireo marary misy fahasemporana.

Nambara ihany koa fa hovatsiana fiara mpitondra marary ary « radiologie numérique » ny hopitaly.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.