Mahamasina: Vonona handray marary ny Centre de Traitement Covid-19 vaovao

  • samedi, 25 juillet 2020 21:21
  • Sary nomena

Misokatra manomboka androany 25 jolay 2020 etsy amin’ny « stade annexe » Lapan’ny Fanatajahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny Centre de Traitement Covid -19 vaovao.

Afaka mandray marary eo amin’ny 250 ity toeram-pitsaboana ity, ary efa misy ny fampitaovana rehetra toy ny « respirateurs » sy ny « concentrateurs d’oxygène ».

Natao handraisana an-tanana ireo marary manana soritr'aretina “formes graves” tahaka ny olana eo amin’ny taovam-pisefoana sy ireo marary ahitana soritr’aretina nefa tsy afaka mihiboka ao an-tranony ity Centre de Traitement Covid- Mahamasina ity.

Tonga nijery ny fotodrafitrasa teny an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady. Napetraka ao amin’ny Lapan’ny Fanatajahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ihany koa ny “Plateforme Nationale de Gestion Covid-19”.

Hita eo anivon’ity vovonana ity, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny ministera maromaro, ireo antontan’isa rehetra entina handrindrana ny fifehezana ny valan’aretina. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo haitao ara-kajy mirindra sy ny fitaovam-pifandraisan-davitra dia hita ao araka izany ny antontan’isa rehetra mikasika ireo hopitaly rehetra ahafahana mamantatra izay mbola malalaka handraisana olona.

Manao ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ireo mitondra ny tsimok’aretina izay nisafidy hihiboka any amin’ny toeram-ponenany ihany koa ity vovonana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.