Andohan’Ilakaka: Nitifitra tsy salama saina ny miaramila, mitsabo ny maratra ny fanjakana

  • lundi, 20 juillet 2020 20:50
  • Sary nindramina

Nafanafana ny toe-draharaha teto Andohan’Ilakaka androany, tapaka nandritra ny fotoana vitsy hatramin’ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7.

Andian’olona maro no nidina an-dalambe naneho ny fanoheran’izy ireo ny nitifiran’ny miaramila tovolahy iray "tsy salama saina, tsy nanao aro-tava". Naratra mafy ity farany.

Nanao fanambarana ary nampita izany tamin'ny tambazotran-tserasera ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena nanasokajy ho « fihoaram-pefy » ny fikasihan-tanana ataon’ny miaramila sasantsasany, tahaka ny tany Toamasina sy Ilakaka, ary milaza fa « efa mandray fepetra hentitra hanasaziana azy ireo ».

« Mamerina ny fialantsiny amin’ireo izay voakasik’izany », ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ary « mangataka hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny Vahoaka mba hisian’ny lamina indrindra mikasika ny ady amin’ny Covid-19 ».

Tsaboina amin’ny hopitaly ao Ihosy ny maratra amin’izao, ary horaisin’ny fanjakana an-tanana ny lany amin'izany. Voalaza fa "tsy misy atahorana" ny ain'ilay tovolahy naratra.

Milamindamina ny tanàna aty Andohan’Ilakaka io hariva io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.